Aogositra: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
EmausBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.2+) (Rôbô Nanampy: bxr:8 һар
Andalana faha-33: Andalana faha-33:
[[br:Eost]]
[[br:Eost]]
[[bs:August]]
[[bs:August]]
[[bxr:8 һар]]
[[ca:Agost]]
[[ca:Agost]]
[[ce:Эгиш бутт]]
[[ce:Эгиш бутт]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 11 Aogositra 2012 à 21:13

Aogositra (avy amin'ny teny anglisy August, avy amin'ny teny latina Augustus) no volana fahavalo amin'ny herintaontsika, fa tao aloha dia ny volana fahenina tamin'ny herintaonan' ny Romana, ary Sextilis no narany taloha. Taoriana dia novana ho Aogositra ny anarany. Ary ny anton'ny teny Aogositra dia izao : Raha maty Joliosy Kaisara ny zanak' anabaviny na rahalahiny nandimby azy, Oktaviosy no anarany. Manamboninahitra nalaza indrindra tamin'ny fomban'ny ady izy ; ary rehefa nanjaka izy, dia nataony ny anarany hoe Kaisara Aogostosy ("malaza", hajaina, izany.) Ary rehefa izany indray, dia novany ny anaran' ny volana Sextilis hatao hoe Aogositra, toa fahatsiarovana any Kaisara Aogostosy.

Emperoran'ny Romana izy tamin'ny andro nahaterahany Jesoa Kristy. Fa tsy nanao soa loatra hany Kristy, tsy nanan ratsy taminy, Aogostosy. Fa nisy zavatra nataony izay nahagaga ny sasany. Nisy tempoly natao hoe tempolin'i Janus ; ary raha nisy ady tamin'ny Romana dia novohany ny varavarana rehetra tainin' izany tempoly izany, fa nivavaka tamin'ny sampy ny olona. Ary kosa, raha tsy nisy ady dia narindrina ny varavarany rehetra, fa angamba tsy nisy olona nahita azy mirindrina talohan'izany andro izany. Fa raha teraka Jesosy Kristy, Zanak' Andriamanitra, Tompon'ny Fiadanana, dia nandry tsara ny firenena rehetra amin' izao rehetra izao. Tsy nisy ady na tamin'y Romana aza, dia narindrin'i Kaisara Aogostosy ny varavarana rehetra tao amin'ny tempoly Janus, ary dia faly ny olona maro.

Fantantsika fa maina ny tany aty Imerina raha tonga ny volana Aogositra. Ary malemilemy kokoa ny tazo noho ny amin'ny andro sasany. Ary mamboatra ny tanim-bary mba hanetsa ny vary vaki-ambiaty ny olona, raha tonga ny volana Aogositra.

Volana
Janoary | Febroary | Martsa | Aprily | Mey | Jona | Jolay | Aogositra | Septambra | Oktobra | Novambra | Desambra