Soeda: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Luckas-bot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.1) (Rôbô Nanampy: roa-tara:Svezzie
FoxBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.6.5) (Rôbô Nanampy: or:ସ୍ଵିଡେନ
Andalana faha-236: Andalana faha-236:
[[nrm:Suède]]
[[nrm:Suède]]
[[oc:Suècia]]
[[oc:Suècia]]
[[or:ସ୍ଵିଡେନ]]
[[os:Швеци]]
[[os:Швеци]]
[[pam:Sweden]]
[[pam:Sweden]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 3 Febroary 2012 à 18:01

((sv))
((sv))
Fanjakan’i Soeda ((mg))
Sainan'i Soeda Mari-piandian'i Soeda
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : För Sverige i tiden! (Soeda foana !)
Teny ofisialy Soedoa
Renivohitra Stockholm
59°21′N 18°4′E
Tanàna ngeza indrindra Stockholm
Fitondrana sy governemanta
 - Mpanjaka
 - Sefon'ny governemanta
Fanjakana
Carl XVI Gustaf
Fredrik Reinfeldt
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 54
449 964 km²
8,67%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 - hakitroka
faha 82
9 276 509 mpo.
22 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Soedoa
IDH (2005) Mihakatra 0,963 (ambony) 7
Sandam-bola Koraona suédoise (SEK)
Faritr'ora UTC +1: (CET);

Oram-pahavaratra: UTC+2: (CEST)

Hiram-pirenena Tsy misy,
Du gamla, Du fria
de facto'
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+46


Ny Soeda (Sverige), na fanjakan'i Soeda (Konungariket Sverige ; AAI : [ˈko:.nɵ.ŋa.ˌri:.kət ˈsvær:.jə]), dia firenena ao Eoropa avaratra ao amin'ny faritanin'i Skandinavia. Ny renivohiny dia Stockholm, ny isam-poniny dia 9 223 766 tenenina hoe soedoa. Ny teny tenenina dia ny fiteny soedoa. Ny fiteny finoa sy ny fiteny sami koa dia tenenina, indrindra any avarany. Misy matetika ny fitenim-paritra.

Ny Soeda dia mizara sisintany amin'i Finlandy any avaratra atsinanana, amin'i Norvezy any avaratra sy any andrefana ary amin'i Danmarka any atsimo.

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeanina ny Soeda hatra ny 1995, fa tsy ao amin'ny faritra euro izy.

Miaraka amin'ny velarantaniny 449 967 km2, ny Soeda dia firenena fahatelo ngeza indrindra any Eoropa Andrefana. Ny hakitroky ny mponina any Soeda dia kely raha oharina amin'ny hakitroky ny mponin'ny firenena manodidina azy ; ankoatran'ny tanàna sy ny faritra manodidina azy ireo, ny hakitroky ny mponina dia latsaky ny 4,3 mponina/km2. 84%-n'ny soedoa no miaina any an-tanàna kanefa 1,3%-n'ny velarantany tontaliny fotsiny ny tontalin'ny velarantanin'ny tanàna rehetra. Manan-danja amin'ny mpanao pôlitika sy ho an'ny ankabeazan'ny mponina ny olana mikasika ny tontolo iainana.

Ny Soeda dia hatra ny ela mpamoaka vy, varahina ary hazo. Ny fivoarana ara-indostria sy ara-toe-karena dia nanomoka tamin'ny taona 1890, nahafahan'ny soeda nivoatra, ary manana toerana tsara ao amin'ny filaharana eoropeanina momban'ny IDH. Ny Soeda dia manana ranomamy be dia be eo amin'ny tany, fa tsy ampy solitany sy angôvo fosily (énergie fossile) izy toy ny solitany na ny arintany.

Ny Soeda ankehitriny dia avy amin'ny Vondron'i Kalmar, noforonina tamin'ny 1397. Nataon'i Gustav Vaasa ho tokana ilay firenena tamin'ny taonjato faha 16. Tamin'ny taonjato faha 17, nahazo tany vaovao ny Soeda. Ary mitsangana ny Empira Soedoa. Fa, ny ankabeazan'ny tany nahazoany dia tsy maintsy navela tmain'ny taonjato faha 18. Tamin'ny fitombohan'ny taonjato faha 19, ny Finlandy sy ny tany hafa ny ho very. Tao aorian'ny adiny farany, tamin'ny 1814, miadana ny Soeda, tsy mitandahatra rehefa misy fandriampahalemana, ary tsy mitongilana rehefa misy ady.

Araka ny famantarana ny Demôkrasian'i The Economist, ny Soeda dia tamin'ny 2008 ny firenena demokratika indrindra teto an-tany, miaraka amin'ny famantarana 9,88/10[1].

Tantara

Gustav Voalohany Vasa
Gustav Voalohany Vasa

Misy fahitana manamarina ny laza fa efa hatry ny taonan'ny vato ny soeda sy ny faritany manodidiny no efa nopetrahan'ny olona, tamin'ny tany nanomboka afaka amin'ny ranomandry niangona tao amin'ny andron'ny ranomandry (ère glaciaire). Ny mponina tao voalohany dia niaina tamin'ny fihazanana, ny fiotiana, ary miaina amin'ny harena nomen'ny Ranomasina Baltika ho avy.

Ny soeda tamin'ny andro prehistorika

Ny Soeda ny Norvezy, ao amin'ny tanjona Skandinava, dia betsaka soratra sy hosodoko atao eny amin'ny vato (ristningar na hällristningar amin'ny fiteny soedoa), ny tena betsana an'ireny dia ao amin'ny faritan'i Bohuslän.

Politika

Fandraharahana

Jeografia

Tanàna

Kolontsaina

Demografia

Olo-malaza soedoa

Jereo koa

Rohy ivelany

Miteny Frantsay

Tsiahy

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Endrika:Lien BA Endrika:Lien BA Endrika:Lien BA Endrika:Lien BA Endrika:Link FA ak:Sweden