Wikipedia: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
RedBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.1) (Rôbô Nanova: la:Vicipaedia (situs)
RedBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.1) (Rôbô Nanova: la:Vicipaedia
Andalana faha-161: Andalana faha-161:
[[kw:Wikipedya]]
[[kw:Wikipedya]]
[[ky:Уикипедия]]
[[ky:Уикипедия]]
[[la:Vicipaedia (situs)]]
[[la:Vicipaedia]]
[[lad:Vikipedya]]
[[lad:Vikipedya]]
[[lb:Wikipedia]]
[[lb:Wikipedia]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 24 Janoary 2012 à 19:55

Wikipedia
Detail of Wikipedia's multilingual portal. Here, the project's largest fiteny editions are shown.
Dokam-barotra ve? No.
Mahatompony {{{mahatompony}}}
Karazana tranokala Online encyclopedia
Fisoratana {{{soratana}}}
Tompony Wikimedia Foundation
Noforonon'ny Jimmy Wales sy Larry Sanger

Wikipedia (avy amin'ny teny hawaiianina: wiki; ) dia tranonkala iraisam-pirenena Web azo ampiasaina maimaimpoana. Wiki izany no foibe mitahiry ny pejy rehetra, ary ny sehatra (website) Wikipedia no toerana fijerena sy fanovana ny pejy rehetra. Ny teny hoe Wikipedia dia fitambaran'ny teny roa wiki sy encyclopedia. Wikipedia dia nosoratan'ny olona izay te-hanampy tsy noterena na nokaramaina.

Tantara

Ny niantombohan'i Wikipedia dia tetikasa famenon'i Nupedia, raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Ny 9 martsa 2000 no niorina i Nupedia, ary kaompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray:"Bomis, Inc" no tompony. I Jimmy Wales, lehiben'i Bomis sy i Larry Sanger, tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'i Nupedia, sy i Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa an'i Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery ary miezaka ho tsotra noho izy mihevitra ho an'ny sarambaben'ny olona ary mivelatra amin'ny lafiny sy sokajin'olona maro.[1] Fony tamin'ny andron'i Nupedia, dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matihanina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra.[1] Fahazoan-dàlana manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra an'i Nupedia, fa novaina ho GFDL talohan'ny nanorenana an'i Wikipedia araka ny torohevitr'i Richard Stallman.

Ny 10 janoary 2001, nanolo-kevitra hampiasa wiki teo amin'i Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":

Tsia, tsy soson-kevitra tsy mendrika akory ity. Misy hevitra hanampy zavatra kely amin'i Nupedia. Inoan'i Jimmy Wales fa maro no mety hitsipaka ny hevitra, saingy izaho kosa tsy mino. (…) Ny fampiasan'i Nupedia wiki no HANY fomba tsotra sy malalaka hanovana ny votoatiny. Efa naelinay tsikelikely ny hevitra hitady tetikasa tsotra sy malalaka kokoa hanoloana na hisolo toerana an'i Nupedia. Amiko dia ny wikis no azo mora foronina indrindra sady vetivety, tsy dia mila fanamboarana loatra sady kely risika indrindra. Raha arak'izay hitako dia io no fomba kely lafy ratsiny indrindra, sady loharano lehibe ho an'ny votoatiny.

(Dikan-teny malalaka; "Let's make a wiki":

No, this is not an indecent proposal. It's an idea to add a little feature to Nupedia. Jimmy Wales thinks that many people might find the idea objectionable, but I think not. (…) As to Nupedia's use of a wiki, this is the ULTIMATE "open" and simple format for developing content. We have occasionally bandied about ideas for simpler, more open projects to either replace or supplement Nupedia. It seems to me wikis can be implemented practically instantly, need very little maintenance, and in general are very low-risk. They're also a potentially great source for content. So there's little downside, as far as I can determine.[2]

)

Nampilaza tamin'ny mailaka fampitana i Sanger momba ny fisokafan'i Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy ny 15 janoary 2001 tao amin'ny http://www.wikipedia.com, ary mbola ny teny anglisy no teny tokana nampiasainy.[3] Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'i Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'i Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'i Nupedia anefa ny fomba fivoatrany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'i Nupedia intsony izy. [4] Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika "neutral point-of-view" na fijery tsy mitanila, na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'i Nupedia aza. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'i Nupedia i Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa ary teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 ny faran'ny taona 2004.[5] Niara-nisy ny Nupedia sy Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'i Wikipedia.

Wikipedia anglisy tamin'ny 30 martsa 2001, roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.

Raha arak'i Wales sy Sanger, dia en:Portland Pattern Repository na WikiWikiWeb an'i en:Ward Cunningham no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'i Bomis ny ambangovangony momba azy io, ny volana desambra 2000,[6] nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz[4] ny volana janoary 2001 vaoo natolony an'i Wales ny hevitra hampiasana wiki amin'i Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'i Wikipedia. Niara-nisy tamin'i Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary i Richard Stallman, fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy izay mpamorona an'i GNUpedia no nitondra ny anjara-birikiny tamin'i Wikipedia.[7]

Naneho ny fiahiahiany ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasa Enciclopedia Libre izay niainga avy amin'i Wikipedia ny volana febroary 2002. Io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'i wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'i Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (neutral point-of-view) mba ahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "sympathetic point-of-view".

Niforona avy amin'i Wikipedia sy Nupedia ny 20 jiona 2003 ny Wikimedia Foundation.[8] Taorian'izay dia niasa tao anatin'io fikambanana tsy itadiavam-bola io i Wikipedia sy ireo tetikasa rahavavy. "In Memoriam: September 11 Wiki" no tetikasa rahavavin'i Wikipedia niseho voalohany, niforona ny volana oktobra 2002 hitantarana amin'ny antsipirihany ny fanafihana an'i Etazonia tamin'ny 11 septambra;[9] Natomboka ny volana desambra 2002 ny tetikasa rakibolana Wiktionary na Wikibolana; herinandro taorian'izay i Wikiquote, tahirina quotations; ary iray volana taty aoriana i Wikibooks, angona boky maimaim-poana. Avy eo dia maro ny tetikasa hafa natomboka izay hita etsy ambany ny antsipiriany.

Tsiahy

  1. 1,0 et 1,1 Larry Sanger, "Tafatafa momba an'i Nupedia (Q & A about Nupedia)", Nupedia, March 2000
  2. Larry Sanger (January 10, 2001). "Let's make a wiki". Internet Archive. http://web.archive.org/web/20030414014355/http://www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000676.html. 
  3. Larry Sanger (January 17, 2001). "Wikipedia is up!". Internet Archive. http://web.archive.org/web/20010506042824/www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000684.html. 
  4. 4,0 et 4,1 Larry Sanger (April 18, 2005). "The Early History of Nupedia and Wikipedia: A Memoir". Slashdot. http://features.slashdot.org/features/05/04/18/164213.shtml. 
  5. "Multilingual_statistics Antontan'isa Wikipedia amin'ny tenim-pirenena maro", Wikipedia, 30 martsa 2005
  6. Jimmy Wales, "Re: Sanger's memoirs", 20 aprily 2005,<wikipedia-l@wikipedia.org>
  7. Richard Stallman (1999). "The Free Encyclopedia Project". Free Software Foundation. http://www.gnu.org/encyclopedia/encyclopedia.html. 
  8. Jimmy Wales: "Announcing Wikimedia Foundation", 20 jiona 2003, <wikipedia-l@wikipedia.org>
  9. Nony tamin'ny taona 2006 anefa dia tsy nokilasian'ny maro ho tetikasa rahavavy ny sehatra "In Memoriam: September 11"; ary nisy torohevitra sy antso hanakatonana azy, na hamindrana toerana azy ao amin'i [[w:en:Wikia|]]. "Sosokevitra hanakatonana tetikasa", ahitana dinika momba an'izay ao amin'ny Meta-Wiki.

Endrika:Link FA ak:Wikipedia