Zakaria (rain' i Joany): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Zakaria (rain'i Joany) ho Zakaria (rain' i Joany) i Thelezifor
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 19 Desambra 2021 à 11:01

Miseho amin'i Zakaria ny arkanjely Gabriela

I Zakaria dia mpisorona rain'i Joany Batista sady vadin'i Elizabeta, araka ny lovatsofina kristiana, mitovy amin'izany koa ny lovantsofin'ny fivavahana mandeana sy silamo. Ahitana firesahana ny amin'i Zakaria ny ao amin'ny Evanjelin'i Lioka sy ao amin'ny protevanjelin'i Jakoba ary ao amin'ny Kor'any. Ao amin'ny Kor'any dia voalaza fa mpaminanin'i finoana silamo i Zakaria. Ao amin'ny lovantsofina miozolmana atao hoe Ashâ ny vadin'i Zakaria renin'i Joany (arabo: Yahyâ).

Atao hoe זכריה Zəḵaryāh i Zakaria amin'ny teny hebreo, izany anarana izany dia midika hoe "Mahatsiahy i Yah" (Yah: fanafohezana ny hoe Yahweh, anaran'Andriamanitra). Amin'ny teny grika kosa dia Ζαχαρίας / Zacharias. Amin'ny teny arabo dia atao hoe زَكَـرِيَّـا‎ / Zakariyyāʾ izy.

Jereo koa