Wikipedia:Copyrights: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-17: Andalana faha-17:


Ireo lisansa roa ireo dia manome fahafahana toa izao:
Ireo lisansa roa ireo dia manome fahafahana toa izao:
# Mampiasa am-pahalalahana ny voatotin'ny Wikipedia, araka ny fitsipika ny lisansa GNU-FDL sy ny CC-by-SA 3.0
# Mampiasa am-pahalalahana ny votoatin'i Wikipedia, araka ny fitsipika ny lisansa GNU-FDL sy ny CC-by-SA 3.0
# Mandika ary mizarazara na ny votoatiny iray manontolo na amin'ny ampahany, na maimaimpoana na atao takalom-bola
# Mandika ary mizarazara na ny votoatiny iray manontolo na amin'ny ampahany, na maimaimpoana na atao takalom-bola
# Manova ary mizara
# Manova ary mizara

Endrik'io pejy io tamin'ny 14 Oktobra 2021 à 21:23

Englishfrançais


  • Aloha ny manampy pejy (na votoatin'ny pejin-tranonkala) eto amin'ny wikipedia, jereo raha mety afaka atao amin'ny lisansa ny Wikipedia izy io. raha mampiasa ny voatotin'i Wikipedia ianao, tsy maintsy ataonao arak-izay tenen'ny lisansa ianao.
  • Rehefa mitahiry lahatsoratra ianao eto amin'ny wikipedia, lasa mihitra amin'ny tarigetra ny wikipedia ny lahatsoratranao : manao fototra nà information manana ny endrika ny firaketana. Ka tsy maintsy manaja ny droit d'auteur (copyright) ny zavatra ataonao (ra ohatra ka mangala-tahaka avy amin'ny tranonkala afa non'i Wikipedia ianao) ; amin'izay ny Wikipedia lasa « fireketana malalaka ».

Eo ampivoan'ity tetikasa ity ny fiheritreretana hoe malalaka, ary mba atao izay mba hafahana hizarazara ny voatotin'i Wikipedia am-pahalalàna, mba hazoazon'olona ny lahatsoratra manana lisansa malalaka non'ny lahatsoratra tsy misy lisansa malalaka.

Mampiseho ny endrika ara-pahamarinana ny voatotiny (lisansa) sy ny vokatra ara-piasàna.

Ny satan'i Wikipedia momba ny zom-pamorona

Mitondra ny fahazoan-dalana (lisansa) Free Documentation License (FDL) ary ny Creative Commons Share-Alike (CC-BY-SA) avokoa ny lahatsoratra eto amin'i Wikipedia. Izany hoe: afaka ampiasana am-pahalalàna ary mandrakizay ny votoatiny, araka ny fahazoton'ny mpikambana.

Ireo lisansa roa ireo dia manome fahafahana toa izao:

  1. Mampiasa am-pahalalahana ny votoatin'i Wikipedia, araka ny fitsipika ny lisansa GNU-FDL sy ny CC-by-SA 3.0
  2. Mandika ary mizarazara na ny votoatiny iray manontolo na amin'ny ampahany, na maimaimpoana na atao takalom-bola
  3. Manova ary mizara

Ny fepetra tokony hajaina dia:

  1. Manambara ny tompony na lisitry ny tompony
  2. Mizara amin'ny lisansa mitovy.

Tsy maintsy manaja ny fepetra mifehy ny zom-pamorona ny zavatra hosoratana eto ary tsy maintsy manaja ihany koa ny fepetra nampetraky ny GFDL ary ny CC-BY-SA.

Manampy lahatsoratra

Afa ny toeranao raha ianao no nanao an'ilay lahatsoratra na nodikainao ilay izy.

Ianao no nanoratra

Ny fandraisanao anjara eto amin'ny tetikasa dia tsy tokony hifanohitra amin'ny fifanarahana nataonao tamina mpamokatra hainoamanjery hafa.

Amin'ny fandraisana anjara amin'ity tranokala ity dia ampitandremana ianao amin'ny fotoana samihafa fa rehefa mandefa lahatsoratra ianao, na avy aiza na avy aiza niaviany, dia hiharan'ny lisansa voalaza etsy ambony ilay soratra. Noho izany ianao dia tsy afaka hanohitra amin'ny anaran'ny zom-pamorona ny fampiasana azy intsony na inona na inona tanjony.

Mitahiry ny zonao amin'ny asanao ianao, ary indrindra azonao atao ny mamoaka azy io amin'ny alàlan'ny lisansa tadiavinao. Na izany aza, dia tsy ho azonao atao ny manafoana ny lisansa avy amin'ireo kinova napetrakao teto: izay kinova nataonao teto dia hitazona ny lisansa Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 Unported Licence (CC-BY-SA 3.0) ary ny GNU Free Documentation Licence. (GFDL) mandrakizay.

Tsy ianao no nanoratra

  1. Nahita ilay votoatiny ianao ka efa maty efa ela (mihoatra ny 70 taona) ny tompony: ilaina fotsiny ny manondro an'ity loharanom-baovao ity ho fanamarinana.
  2. Jereo raha mitondra ny lisansa CC-BY-SA 3.0 ilay soratra. Raha toa ka marina izany dia azonao ampiasaina eto ilay lahatsoratra, fa mila rohy mankany amin'ny lahatsoratra niaviana. Tsy maintsy atao ihany koa izany rehefa mandika teny.