Melaneziana (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3: Andalana faha-3:


== Fiaviany ==
== Fiaviany ==
Ny Melaneziana dia taranaky ny olona nifindra monina avy any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i [[Azia]] tamin' ny alalan' ny lakan-dehibe tokony 3 000 taona tal. J.K. hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Nizotra nanjkany atsinanana sy niorim-ponenana tsikelikely tao amin' ireo faritra a-morontsiraka tao amin' ireo nosy ireo izy ireo alohan' ny hidirany tany afovoan-tany.
Ny Melaneziana dia taranaky ny olona nifindra monina avy any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i [[Azia]] tamin' ny alalan' ny lakan-dehibe tokony 3 000 taona tal. J.K. hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Nizotra nankany atsinanana sy niorim-ponenana tsikelikely tao amin' ireo faritra a-morontsiraka tao amin' ireo nosy ireo izy ireo alohan' ny hidirany tany afovoan-tany.


== Asa fivelomana ==
== Asa fivelomana ==
Monina ambanivohitra ny Melaneziana. Mpamboly amin' ny tany avy nodorana mba hambolena zavamaniry misy vodiny, toy ny [[saonjo]] sy ny [[vomanga]] sy ny hafa koa ny Maleziana. Mampidi-bola amin' ny alalan' ny fanamboarana kôpra koa izy ireo. Mamboly [[Kafe (maniry)|kafe]] sy [[Kakao|kakaô]] koa ny Melaneziana. Miompy [[kisoa]] sy karazana lamboala, izay ataony sorona amin' ny lanonana misy fomban-drazana izy ireo, ka ny henany dia zaraina amin' ny mpanatrika rehetra. Mihinana [[trondro]] ireo vahoaka maleziana monina a-morontsiraka.
Monina ambanivohitra ny Melaneziana. Mpamboly amin' ny tany avy nodorana mba hambolena zavamaniry misy vodiny, toy ny [[saonjo]] sy ny [[vomanga]] sy ny hafa koa ny Maleziana. Mampidi-bola amin' ny alalan' ny fanamboarana [[kôpra]] koa izy ireo. Mamboly [[Kafe (maniry)|kafe]] sy [[Kakao|kakaô]] koa ny Melaneziana. Miompy [[kisoa]] sy karazana [[lamboala]], izay ataony sorona amin' ny lanonana misy fomban-drazana izy ireo, ka ny henany dia zaraina amin' ny mpanatrika rehetra. Mihinana [[trondro]] ireo vahoaka maleziana monina a-morontsiraka.


== Kolontsaina ==
== Kolontsaina ==
Andalana faha-14: Andalana faha-14:


=== Kolontsaina taty aoriana ===
=== Kolontsaina taty aoriana ===
Rehefa nifandray amin' ny mpivarotra sy misionera kristiana tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 ny Melaneziana dia tsy nanary ny fomban-drazany fa namorona fivavahana mampifangaro finoana sy fomba, dia ny fivavahana amin' ny sambo, ny finoana [[Milenarisma|milenarista]] izay inoany ny hisian'ny sambo hitondra harena ho azy ireo. Tamin' ny taona 2011 dia fantatra fa ny 92 %n' ny Maleziana dia Kristiana.
Rehefa nifandray amin' ny mpivarotra sy misionera kristiana tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 ny Melaneziana dia tsy nanary ny fomban-drazany fa namorona [[Sinkretisma|fivavahana mampifangaro finoana]] sy fomba, dia ny fivavahana amin' ny sambo, ny finoana [[Milenarisma|milenarista]] izay inoany fa hisian' ny sambo hitondra harena ho azy ireo. Tamin' ny taona 2011 dia fantatra fa ny 92 %n' ny Maleziana dia Kristiana.


=== Fiteny any Melanezia ===
=== Fiteny any Melanezia ===

Endrik'io pejy io tamin'ny 18 Septambra 2021 à 04:53

Zazavavy kely any Vanuatu

Ny Melaneziana dia vahoaka monina amin' ireo vondro-nosy mitambatra ao amin' i Melanezia, ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia, sy mahafaoka an' i Papoazia-Ginea-Vaovao sy an' i Kaledônia-Vaovao ary an' ireo vondro-nosy Solomon sy Vanuatu ary Fidji.

Fiaviany

Ny Melaneziana dia taranaky ny olona nifindra monina avy any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Azia tamin' ny alalan' ny lakan-dehibe tokony 3 000 taona tal. J.K. hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Nizotra nankany atsinanana sy niorim-ponenana tsikelikely tao amin' ireo faritra a-morontsiraka tao amin' ireo nosy ireo izy ireo alohan' ny hidirany tany afovoan-tany.

Asa fivelomana

Monina ambanivohitra ny Melaneziana. Mpamboly amin' ny tany avy nodorana mba hambolena zavamaniry misy vodiny, toy ny saonjo sy ny vomanga sy ny hafa koa ny Maleziana. Mampidi-bola amin' ny alalan' ny fanamboarana kôpra koa izy ireo. Mamboly kafe sy kakaô koa ny Melaneziana. Miompy kisoa sy karazana lamboala, izay ataony sorona amin' ny lanonana misy fomban-drazana izy ireo, ka ny henany dia zaraina amin' ny mpanatrika rehetra. Mihinana trondro ireo vahoaka maleziana monina a-morontsiraka.

Kolontsaina

Kolontsaina nentim-paharazana

Manana kolontsaina maro isan-karazany ny Melaneziana, dia kolontsaina tsy dia misy toetra itambarany firy. Ireo olona manana traikefa amin' ny fitenenena sy amin' ny fandaminana ny fifandraisan' ny tontolo hita maso amin' ny tontolo tsy hita maso, sy ny fifandraisan' ny velona amin' ny maty no mitarika ny fiarahamonin' ny Melaneziana.

Kolontsaina taty aoriana

Rehefa nifandray amin' ny mpivarotra sy misionera kristiana tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 ny Melaneziana dia tsy nanary ny fomban-drazany fa namorona fivavahana mampifangaro finoana sy fomba, dia ny fivavahana amin' ny sambo, ny finoana milenarista izay inoany fa hisian' ny sambo hitondra harena ho azy ireo. Tamin' ny taona 2011 dia fantatra fa ny 92 %n' ny Maleziana dia Kristiana.

Fiteny any Melanezia

Ankizy mpianatra any amin' ny nosy Solomon

Miteny amin' ny fiteny maro ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana na malaiô-pôlineziana ny Melaneziana, indrindra ny sampam-piteny ôseaniana na ôseanika, sy amin' ireo fiteny papoa tsy miray fianakaviana. Maro koa ireo fiteny kreôly tenenin' ny Melaneziana, toy ny tok pisin, ny hiri motu, ny pijin, ny bislamara ary ny ny maley papoa.

Jereo koa