Efesôsy: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-17: Andalana faha-17:
* [[Sardisy]] (na Sarda)
* [[Sardisy]] (na Sarda)
* [[Filadelfia (Azia Minora)|Filadelfia]]
* [[Filadelfia (Azia Minora)|Filadelfia]]
* [[Laôdikea]]
* [[Laôdikea]] (na Laôdisea na Laôdikia)

Endrika tamin'ity 26 Jolay 2021 à 10:29 ity

Sarivongan' i Artemisy tao Efeso.

I Efesôsy na Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin'i reo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin' ireo tanan-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Iônia. Atao hoe Ἔφεσος / Éphesos izy amin' ny teny grika fa Ephesus kosa amin' ny teny latina ary Apaša amin' ny teny hitita (na heteana).

Na dia any amin' ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin' ny sisin-dranomasina, eo akaikin' ny tanànan' i Selçuk sy Kuşadası ao amin' ny tapany andrefan' i Torkia ankehitriny aza ny sisam-paharavan' i Efesôsy dia isan' ireo seranan-tsambo lehibe tao amin' ny Ranomasina Egea (grika: Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio pélagos) izy; tao akaikin' ny fivarinan' ny ony anatôliana atao hoe Kaistrôsy (grika: Κάϋστρος / Kaustros) izy.

Ireo tanàna misy ny fiangonana fiton' ny Apôkalipsy ao Asia Minora (na Anatôlia)

Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiôsy, izay natokana ho an' ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / Ártemis) mpiahy ny tanàna, dia isan' ireo Zava-mahagaga fito eto amin' izao tontolo izao sady isan' ireo nampalaza an' i Efesôsy, ary tao amoron-drano no nisy azy.

Vokatry ny tany nentin' ny onin' i Kaistrôsy sy ny fiovaovan' ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan' ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran' ny fasika ny serana-tsambon' ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny Apôkalipsy: