Efesôsy: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-7: Andalana faha-7:


Vokatry ny tany nentin' ny onin' i Kaistrôsy sy ny fiovaovan' ny toetany ary angamba ny [[horohorontany]] no nahatonga ny fikisahan' ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran' ny fasika ny serana-tsambon' ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.
Vokatry ny tany nentin' ny onin' i Kaistrôsy sy ny fiovaovan' ny toetany ary angamba ny [[horohorontany]] no nahatonga ny fikisahan' ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran' ny fasika ny serana-tsambon' ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.

== Jereo koa ==
'''Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]]:'''

* [[Efesôsy]] (na Efezy)
* [[Smirna]]
* [[Pergamôsy]] (na Pergama)
* [[Tiatira]]
* [[Sardisy]] (na Sarda)
* [[Filadelfia (Azia Minora)|Filadelfia]]
* [[Laôdikea]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 26 Jolay 2021 à 09:47

Sarivongan' i Artemisy tao Efeso.

I Efesôsy na Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin'i reo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin' ireo tanan-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Iônia. Atao hoe Ἔφεσος / Éphesos izy amin' ny teny grika fa Ephesus kosa amin' ny teny latina ary Apaša amin' ny teny hitita (na heteana).

Na dia any amin' ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin' ny sisin-dranomasina, eo akaikin' ny tanànan' i Selçuk sy Kuşadası ao amin' ny tapany andrefan' i Torkia ankehitriny aza ny sisam-paharavan' i Efesôsy dia isan' ireo seranan-tsambo lehibe tao amin' ny Ranomasina Egea (grika: Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio pélagos) izy; tao akaikin' ny fivarinan' ny ony anatôliana atao hoe Kaistrôsy (grika: Κάϋστρος / Kaustros) izy.

Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiôsy, izay natokana ho an' ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / Ártemis) mpiahy ny tanàna, dia isan' ireo Zava-mahagaga fito eto amin' izao tontolo izao sady isan' ireo nampalaza an' i Efesôsy, ary tao amoron-drano no nisy azy.

Vokatry ny tany nentin' ny onin' i Kaistrôsy sy ny fiovaovan' ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan' ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran' ny fasika ny serana-tsambon' ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.

Jereo koa

Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny Apôkalipsy: