Efesôsy: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Efesosy ho Efesôsy i Thelezifor
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 24 Jolay 2021 à 11:28

Sarivongan'i Artemisy tao Efeso.

I Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin'ireo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin'ireo tanan-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Ionia. Atao hoe Ἔφεσος / Éphesos izy amin'ny teny grika fa Ephesus kosa amin'ny teny latina ary Apaša amin'ny teny hitita (na heteana).

Na dia any amin'ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin'ny sisin-dranomasina, eo akaikin'ny tanànan'i Selçuk sy Kuşadası ao amin'ny tapany andefan'i Torkia ankehitriny aza ny sisam-paharavan'i Efesosy dia isan'ireo seranan-tsambo lehibe tao amin'ny Ranomasina Egea (grika: Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio pélagos) izy; tao akaikin'ny fivarinan'ny ony anatoliana atao hoe Kaistrosy (grika: Κάϋστρος / Kaustros) izy.

Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiosy, izay natokana ho an'ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / Ártemis) mpiahy ny tanàna, dia isan'ireo Zava-mahagaga Fito eto amin'izao tontolo izao sady isan'ireo nampalaza an'i Efesosy, ary tao amoron-drano no nisy azy.

Vokatry ny tany nentin'ny onin'i Kaistrosy sy ny fiovaovan'ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan'ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran'ny fasika ny serana-tsambon'ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.