Ratsiraka Didier: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
[[sary:Didier Ratsiraka (cropped).jpeg|thumb|right|Didier Ratsiraka]]
[[sary:Didier Ratsiraka (cropped).jpeg|thumb|right|Didier Ratsiraka]]
'''Ratsiraka Didier Ignace''' dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko politika ''Andrin' ny Revolisiôna Malagasy'' (AREMA). Teraka tamin' ny [[4 Novambra]] [[1936]] tany [[Vatomandry]], [[Faritanin'i Toamasina|faritanin' i Toamasina]] izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao [[Antananarivo]]<ref><small>''jeuneafrique.com'', [https://www.jeuneafrique.com/1144858/politique/madagascar-lancien-president-didier-ratsiraka-est-mort/ "Madagascar l'ancien president Didier Ratsiraka est mort"].</small></ref>.
'''Ratsiraka, Didier Ignace''' dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko politika ''Andrin' ny Revolisiôna Malagasy'' (AREMA). Teraka tamin' ny [[4 Novambra]] [[1936]] tany [[Vatomandry]], [[Faritanin'i Toamasina|faritanin' i Toamasina]] izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao [[Antananarivo]]<ref><small>''jeuneafrique.com'', [https://www.jeuneafrique.com/1144858/politique/madagascar-lancien-president-didier-ratsiraka-est-mort/ "Madagascar l'ancien president Didier Ratsiraka est mort"].</small></ref>.


Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny tanona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i [[Zafy Albert]] ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy ja i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena.
Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny tanona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i [[Zafy Albert]] ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy ja i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena.

Endrik'io pejy io tamin'ny 1 Aprily 2021 à 21:38

Didier Ratsiraka

Ratsiraka, Didier Ignace dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko politika Andrin' ny Revolisiôna Malagasy (AREMA). Teraka tamin' ny 4 Novambra 1936 tany Vatomandry, faritanin' i Toamasina izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao Antananarivo[1].

Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny tanona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i Zafy Albert ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy ja i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena.

Nirotsaka ho difina ho filoham-pirenena indray Ratsiraka tamin' ny taona 1996 ka lany soa aman-tsara. Navelany ny sôsialisma ka nosoloiny fotokevitra manandratra ny olombelona mirindra amin' ny tontolo iainana (humanisme écologique). Nanova ny lalàm-panorenana izy mba hampitomboany ny fahefany. Nisy fihatsarany ihany ny toekarena.

Taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2001 nifanandrenany tamin' i Marc Ravalomanana izay niteraka fahasahiranana teto amin' ny firenena ka nanambaràn-dRavalomanana tena ho filoham-pirenena tamin' ny 2002 dia niala an' Antananarivo Ratsiraka ka nonina any Toamasina, avy eo nankany Frantsa.

Tamin' ny taona 2009 izay nanongananan' i Andry Rajoelina an-dRavalomanana dia anisan' ireo nandray anjara tamin' ny fifampiraharahana notarihin' ny Firaisambe Afrikana i Ratsiraka mba hametrahana fitondram-panjakana tetezamita adraisan' ny rehetra anjara, tsy nahomby anefa izany. Nikasa ny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena Ratsiraka tamin' ny taona 2013 nefa tsy voaray ny firotsahany. Tamin' ny 2018 dia nilatsaka ho filoham-pirenena izy nefa tsy lany tamin' ny fihodinana voalohany.

Fiainany manokana

Zanaka mpiasam-panjakana ny rainy tamin' ny andro nahazanatany frantsay an' i Madagasikara; nianatra tany amin' ny sekoly navale tany Brest (Bretaiña, Frantsa) izy.

Fidirana amin' ny fanaovana pôlitika

Nisahana ny ministeran' ny raharaham-bahiny izy tamin' ny andron' ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa tamin' ny 1972 ka hatramin' ny 1975.

Filohan' ny Repoblika faharoa

Ny Capitaine de frégate Ratsiraka Didier no voatendry hitondra an' i Madagasikara taty amin' ny faran' ny taona 1975. Niezaka ny hitondra hevi-baovao sy fijery vaovao tamin' ny alalan' ny Boky Mena[2] [3] ity manamboninahitra tantsambo ity ary naharesy lahatra ny maro tamin' ny Malagasy izy tamin' izany.

Ny Repoblika faharoa dia nahitana fifamatorana ara-pôlitika tamin' ny firenena any Atsinanana sy ny fitokana-monina ara-toekarena. Izany pôlitika izany, miaraka amin' ny fahasahiranana ara-toekarena vokatry ny krizin' ny solika tamin' ny taona 1973, dia nitarika ny firodanan' ny toekarena haingana teto Madagasikara sy ny fihenan' ny fenitry ny fiainana, ary ny firenena dia nanjary bankirompitra tanteraka tamin' ny taona 1979. Ny fitondram-panjakana dia nanaiky ny fepetran' ny mangarahara sy ny fepetra manohitra ny kolikoly ary ny pôlitikan'ny tsena malalaka napetraky ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, Banky Iraisam-pirenena.[4]

Noho ny toe-javatra maro nitranga ka niteraka fahoriana sy fahasahiranana lalina teo amin' ny fiainam-pirenena, dia voatery ny vahoaka izay nentanin' ny antoko pôlitika sahy nanohitra ny fitondran-dRatsiraka Didier. Rehefa nitokona am-bolana vitsivitsy ny vahoaka dia nifampiraharaha tamin' ny mpanohitra, izay neken' ny vahoaka ho mpitondra ny feony, Ratsiraka.

Ny 31 Oktobra 1991 no nanamarika ny fiafaran' ny Repoblika faharoa. Na dia tsy nanapakevitra firy intsony teo amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana intsony aza Ratsiraka dia mbola nitazona ihany ny anaram-boninahitra maha filohan' ny Repoblika azy ihany. I Zafy Albert no nitazona ny andrikitra teo amin' ilay andrim-panjakana (H.A.E) lehibe natao hampijoroana ny Repoblika fahatelo. Narafitra ny lalam-panorenana vaovao, natao daholo izay rehetra hita fa madilana tokony ho tetenina tamin' ny lasa.

Nisy governemanta tetezamita napetraka teo ambany fitarihan' i Albert Zafy (1993-1996), izay nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 1992 ary nanokatra ny Repoblika fahatelo.

Filoham-pirenena tamin' ny Repoblika fahatelo

Niharatsy ny toekarena tamin' ny andro naha filoha an' i Zafy, nisondrotra ny kolikoly, ary nisy ny fampidirana ny lalàna mba hanomezana azy fahefana matanjaka kokoa. Nolavina tamin' ny 1996 izy, ary notendrena ho filohan' ny tetezamita i Norbert Ratsirahonana, nandritra ny telo volana talohan' ny fifidianana ho filoham-pirenena manaraka.

Nirotsaka hofidina indray teo Ratsiraka ka niverina nifaninana indray izy sy Zafy. Rehefa niverina tao Madagasikara Ratsiraka ny taona 1996 ka nirotsaka ho kandida ho Filoha indray, dia niova ho Andry sy Rihana Enti-manavotra an' i MAdagasikara ny AREMA ary "Fanantenana Vaovao" no teny filamatra.

Tafaverina ho filoha indray Ratsiraka ny taona 1997 ary nanitsy ny Lalàm-panorenana ka ny mahaolona sy ny tontolo iainana ("humanisme écologique") indray no nentiny handresena lahatra ny malagasy.

Niditra tamin' ny fizarana faharoan' ny Repoblika fahatelo ny firenena malagasy. Na dia noheverina ho manana traikefa sy fahaizamanao noho ny fotoana maro nitondrany an' i Madagasikara aza Ratsiraka, dia tsy nisy fanavaozana nentiny teo amin' ny fitantanana. Maro ny vola fanampiana sy nindramina nentina hanatsarana ny fahefa-mividin' ny vahoaka, saingy tsy nahafa-po ny ankabetsahan' ny Malagsy, indrindra ny tantsaha. Raha ny fifanarahana iraisam-pirenena no jerena dia nitohy avokoa ireny rehefa niato nandritra ny fotoana nitondran' i Zafy Albert. Maro ny vola fanampiana sy nindramina nentina hanatsarana ny fahefa mividin' ny vahoaka, saingy tsy nisy fiantraikany teo amin' ny tantsaha indrindra.

Fitsaharana tamin' ny fanaovana pôlitika

Ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2001 dia nahatonga fifandonana fito volana teo amin' ny mpanohana an-dRavalomanana sy ny mpanohana an-dRatsiraka.

Loharano sy fanamarihana

  1. jeuneafrique.com, "Madagascar l'ancien president Didier Ratsiraka est mort".
  2. [PDF] Boky Mena sur Google Docs.
  3. "Madagascar profile - Timeline" [tahiry], www.bbc.com, 5 Novambra 2018.
  4. Marcus, Richard (August 2004). "Political change in Madagascar: populist democracy or neopatrimonialism by another name?" (Occasional Paper no. 89). Institute for Security Studies. Archived from the original on 7 September 2004. Retrieved 15 February 2012.