Manisa
Aller à la navigation
Aller à la recherche
I Manisa, izay nantsoina hoe Magnesia any Sipilosy tany aloha, dia itanàna any Torkian ao amin'ny prefektioran'ny faritany mitovy anarana aminy.
Teo akaikin'i Magnesia any Sipilosy, tao amin'ny lemaka eo am-pihaonan'ny renirano Hermôsy sy Frigia dia nisy ady tamin'ny ririnin'ny taona 190 hatramin'ny taona 189 tal. J.K. ka tsotsori-mamba nisarahan'ny Rômana notarihin'i Lokio Kornelio Skipio (latina: Lucius Cornelius Scipio) sy ny mpanjaka seleokida Antiokosy III izany. Resy tamin'izany ny Seleokida. Nitambatra tamin'ny Empira rômana ilay tanàna, avy eo tamin'ny Empira bizantina. Lasan'ny Empira otomàna izy tamin'ny taonjato faha-15 taor. J.K. Teo anelanelan'y taona 1919 sy 1922 io tanàna io dia nobodoin'i Gresy (na Grisia).