Aller au contenu

Mangaliba

Avy amin'i Wikipedia

Ny mangaliba dia karazana mozika sy dihy nentim-paharazana malagasy, avy any amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Madagasikara. Mampiavaka azy ny gadona mahasarika sy ny feonkira izay matetika atao amin’ ny zava-maneno nentim-paharazana.

Fifangaroan' ny hazolahy sy ny rabaza, izay karazana mozika nentim-paharazana malagasy, ny mangaliba. Na dia azo ampiasaina aza ny zavamaneno môderina, dia matetika mampiasa zavamaneno malagasy toy ny amponga sy kipantsona, ny zavamaneno misy tadiny (kabôsy na mandôliny) ary ny zavamaneno tsofina (sodina) ny mpiangaly mangaliba.

Fanehoana manan-danja ny kolontsaina sy ny maha-izy azy ny faritra atsimo-atsinanan' i Madagasikara ny mangaliba. Matetika izy no aseho amin' ny fety aman-danonana ary hetsika ara-kolontsaina hafa. Ny mpanakanto ankehitriny dia manohy ny fampisehoana mangaliba, ka mitondra anjara biriky amin' ny fiarovana sy ny fivoarany, anisan' izany ny mpanakanto Dian-Hay ao amin' ny hirany mitondra ny lohateny hoe "Baneny", sy ny tarika toa an' i Electric Vocuhila koa izay ao amin' ny hirany mitondra ny lohateny hoe "Mangaliba".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]