Mandarinina (zavamaniry)
Fiseho
Ny mandarinina dia hazo fihinam-boa anisan' ny voasary, ao amin' ny fianakaviana Rutaceae izay mamokatra voankazo antsoina hoe mandarinina ihany koa. Atao hoe Citrus reticulata ny anarany ara-tsiansa. Ny mandarinina dia teny mahafaoka ny zavamaniry isan-karazany sy zavamaniry fihinam-boa any an' ala sy ambolena, anisan' ny vondrona lehibe indrindra amin' ny hazo fihinam-boa atao hoe voasary (Citrus) izay misy vondrona efatra mahazatra. Ny C. reticulata dia niteraka safiotra maro toy ny C. sinensis (laoranjy), ny C. aurantium, ny C. limonia (voasarimakirana Volkamer sy ny Rangpur) , ny C. madurensis.