Hankany amin'ny vontoatiny

Malesherbiaceae

Avy amin'i Wikipedia
Malesherbia linearifolia

Ny Malesherbiaceae dia fianakavian-javamaniry mamony sy roa ravin-tsimoka, izay ahitana vondron-karazana tokana: ny Malesherbia. Zavamaniry ahitra na somary minofon-kazo ny karazana ao aminy, matetika voloina, misy fofona maimbo, hita any amin' ny Tendrombohitra Andes any Amerika Atsimo, avy any Peroa ka hatrany Sily.

Ny fanasokajiana filôjenetika APG (1998) dia mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny flaharana Malpighiales. Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003), ity fianakaviana ity dia azo raisina na avela: ireo zavamaniry ireo dia azo ampidirina ao amin' ny fianakaviana Passifloraceae. Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG III (2009), ity fianakaviana ity dia tsy manan-kery ary tafiditra ao anatin' ny fianakaviana Passifloraceae ny vondrom-pianakaviana ao aminy sady lasa zana-pianakaviana Malesherbioideae.

Inty ny lisitry ny karazana ao aminy:

  • Malesherbia angustisecta Harms
  • Malesherbia ardens J.F.Macbr.
  • Malesherbia arequipensis Ricardi
  • Malesherbia auristipulata Ricardi
  • Malesherbia bracteata Phil.
  • Malesherbia corallina Muñoz-Schick & R.Pinto
  • Malesherbia densiflora Phil.
  • Malesherbia deserticola Phil.
  • Malesherbia fasciculata D.Don
  • Malesherbia fatimae Weigend & H.Beltrán
  • Malesherbia haemantha Harms
  • Malesherbia humilis Poepp.
  • Malesherbia lactea Phil.
  • Malesherbia laraosensis H.Beltrán & Weigend
  • Malesherbia linearifolia (Cav.) Poir.
  • Malesherbia lirana Gay
  • Malesherbia paniculata D.Don
  • Malesherbia scarlatiflora Gilg
  • Malesherbia solanoides Meyen
  • Malesherbia splendens Ricardi
  • Malesherbia tenuifolia D.Don
  • Malesherbia tocopillana Ricardi
  • Malesherbia tubulosa (Cav.) J.St.-Hil.
  • Malesherbia turbinea J.F.Macbr.
  • Malesherbia weberbaueri Gilg