Makedônia (faritany rômana)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Makedonia (faritany rômana))
Ny Faritany rômanan' i Makedônia

I Makedônia na Masedônia na Masedoana dia faritany rômana nivelatra any avaratr' i Grisia sy ampahan' i Albania ary i Makedônia Avaratra ankehitriny. I Tesalônika no renivohiny tamin' izay. Atao hoe Faritany rômanan' i Makedônia na Faritany rômanan' i Masedoana izy. Amin' ny teny latina dia atao hoe Macedonia na Provincia Macedoniae io faritany io. Io faritany io dia nofehezin' ny pretora (latina: prætor)[1]. Amin' ny teny grika kosa izy dia atao hoe Ἐπαρχία Μακεδονίας / Eparkhia Makedonias.

Niorina tamin' ny taona 146 tal. J.K. ny Faritany rômanan'i Makedônia, izay nandimby ny Fanjakan' i Makedônia notapahin' ny mpanjaka farany atao hoe Andriskosy (grika: Ἀνδρίσκος / Andrískos) nefa resin' ny jeneraly rômana atao hoe Quintus Cæcilius Metellus tamin' ny taona 148 tal. J.K. Nahafaoka an' i Bôtiea (latina: Bottǐaea) sy i Elimea (latina: Elimēa) ary i Eôrdea (latina: Eordaea) izy.

Tamin' ny taonjato faha-3 dia nizara ny faritanin' i Makedônia ka niteraka ny faritanin' i Makedônia Voalohany (latina: Macedonia Prima) ao atsimo sy i Makedônia Faharoa (latina: Macedonia Secunda) ao avaratra.

Tamin' ny taona 318 dia nampidirina tao amin' ny diôsezin' i Makedônia ireo faritany roa ireo, nefa kely kokoa noho i Makedônia taloha io diôsezy io satria ny diôsezin' i Epiro Vaovao (latina: Epirus novus) sy ny an' i Epiro Tranainy (latina: Epirus vetus) ary ny an' i Tesalia (latina: Thessalia) dia naka tamin' ny faritanin' i Makedônia. Ny diôsezin' i Makedônia dia miankina amin' ny pretoran' i Iliria (latina: Illyria).

Taorian' ny fizaràn' ny Empira rômana tamin' ny taona 395 dia lasan' ny Empira rômana any Atsinanana i Makedônia: atao hoe Makedônia bizantina izy tamin' izay.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny pretora (latina: prætor) dia olom-panjakana teo amin'ny Empira rômana izay manana laharam-boninahitry ny loholona (senatera) sady miandraikitra ny fifehezana tanàna no misahana raharaham-pitsarana.