Meka (Arabia Saodita)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Maka (tanana any Arabia))
Ny Kaaba ao Meka jerena amin' ny hariva, ao aoriany ny Môskea Lehibe.

I Meka na Maka dia tanàna any amin' ny tapany andrefan' i Arabia Saodita, miorina 80 km miala ny Ranomasina Mena, renivohitry ny Faritanin' i Meka na Maka. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe مكة / Makka. Ny Malagasy sasany dia manonona hoe Lameka na Lameky (manakatra ny fanononana frantsay hoe La Mecque).

Araka ny lovantsofina silamo dia tao no nahaterahan' ny mpaminany Mohamady tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-6, ao no misy ny môskea Masjid al-Haram ("Môskea Masina") izay misy ny Kaaba (arabo: الكعبة / al-Ka'ba). Ny lovantsofina silamo dia milaza ihany koa fa tamin' ny andron' i Abrahama (Ibrahim) no nanorenana ilay tanàna, ka tanàna masina indrindra i Meka noho izany. Tsy azon' ny lehilahy tsy mozilmana idirana ny ao. Tsy mahazo miditra ao koa ny vehivavy (na dia mozilmana aza).

Tsy tena mazava ny tantara talohan' ny vanimpotoana mozilmàna momba an' i Meka. Toeram-panaovana fivahiniana masina (arabo: حَجّ / hajj) ny ao Meka, ka indraimandeha isan-taona no fanaovana izany nanomboka tamin' ny taonjato faha-7, izay mahavory vahiny an-tapitrisany avy amin' ny sampan' ny finoana silamo, avy amin' ny firenena misy Mozilmana eran' izao tontolo izao, hatramin' ny faramparan' ny taonjato faha-20. Manandrify an' i Meka (qibla) no itodihan' ny mpino silamo rehefa manatanteraka ny vavaka dimy fanao isan' andro.

Hatramin' ny taompolo 1970 dia maro ny mpitady vola amin' ny fanorenana trano izay manao izany asa izany ao Meka, ka manorina trano mijoalajoala sahala amin' ny any Las Vegas, mba hahafahana mandray mpino silamo maro hatranihatrany, nefa manimba ny toerana maro manan-tantara eo amin' ny finoana silamo izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]