Maimbobe
Fiseho

Ny maimbobe dia zavamaniry isan-karazany, anisan' izany ireto tanisaina manaraka ireto:
- ny paraky (Nicotiana tabacum, fianakaviana Solanaceae): maniry manodidina ny toeram-ponenana sy manana ravina madinika sy matevina, any amin' ny faritra misy ny Merina;
- ny Datura metel sy ny Datura fastuosa (fianakaviana Solanaceae): zavamaniry fahita eny amin' ny tany lao, misy poizina noho ny fisian' ny alkalôida skôpôlaminina.
- ny Crassocephalum rubens (atao hoe koa anadrambo, anandrambo, anandrambolahy, betranomay, fitangosana, tranobemay, valahiaka) sy ny Crassocephalum sarcobasis (atao hoe koa anadrambo, anandrambolahy) (fianakaviana Asteraceae): ny fitanehana azy ireo dia itsaboana ny aretin-kibo sy ny fisian' ny rivotra anaty kibo;
- ny Cassia occidentalis na Senna occidentalis (fianakaviana Fabaceae): endasina toy ny voan-kafe ny voany ka ampiasaina mba hanamboarana zaba-pisotro.