Lepironia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mahampy (zavamaniry))
Lepironia articulata eo amin' ny honahon-dranomamy eo akaikin' ny toeram-pambolena palmie, akaikin' i Pangkalan Bun, Kalimantan Afovoany, Indônezia.

Ny Lepironia dia zavamaniry, karazana harefo, ao amin' ny fianakaviana Cyperaceae, maniry amin' ny honahona, fahita aty Madagasikara, any India, any Srilanka, any atsimo amin' i Sina, any Azia Atsimo-Atsinanana (Malezia, Indôsina, Indônezia), any Ginea Vaovao, ary any amin' ireo anosy samihafa any amin' ny faritra andrefana amin' i Pasifika (Nosy Ryukyu, Nosy Caroline, Fidji, Tonga, Nouvelle-Calédonie). Hita any avaratra sy atsinana amin' i Aostralia koa izany, hatrany atsimo amin' ny Valan-javaboarin' ny Farihy Thirlmere (Thirlmere Lakes National Park) any Valesa Atsimo Vaovao (New South Wales).

Ny Lepironia dia mety atao fantsom-pitrofan-java-pisotro: any Vietnamy sy Indônezia, tsy sarotra ny fomba famokarana fantsom-pitrofana, fa diovina fotsiny ny tahon' ilay zavamaniry ary avela ho maina amin' ny masoandro. Ny fantsona avy amin' ny Lepironia dia vahaolana amin' ny fampiasana fantsom-pitrofan-javapisotro vita amin' ny plastika.

Aty Madagasikara dia ampiasain' ny Betsimisaraka amin' ny fanamboarana gonin-tsiramamy aondrana any Maorisy, sy amin' ny fanaovana satroka koa ny Lepironia, izay antsoina hoe penja. Any amin' ny Antambahoaka dia tenomina koa ny Lepironia (izay atao hoe mahampy) mba hanaovana akanjom-behivavy.