Hankany amin'ny vontoatiny

M. Pokora

Avy amin'i Wikipedia
M.Pokora
Ankapobeny
AnaranaM.Pokora
Teraka26 septambra 1985
ToeranaStrasbourg
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFrance
Asa :Mpihira
Fiainana manokana

Mathieu Tota no tena anarany, teraka tamin'ny 26 septambra 1985 tao Strasbourg,amin'nysehatra maha-mpanao zava-kanto azy, dia fantantra amin'ny anarana hoe: M.Pokora, izy dia mpamoron-kira, mpanoratra hira, mpihira, mpamokatra mozika, mpandihy ary mpilalao sarimihetsika frantsay.[1] Tamin'ny taona 2003, izy no nandresy tamin'ny fandaharana "Popstar" andiany fahatelo, niaraka tamin'ny tarika "Linkup". Taorian'ny famoahana ny raki-kira voalohany, ny tarika mitondra ny lohateny hoe"Notre étoile", dia nanapa-kevitra izy, fa hanohy irery amin'ny maha mpihira sôlô azy, navoakany ny ny raki-kira sôlô voalohany tamin'ny novambra 2004.

Hatramin'izay, efa namoaka raki-kira studio folo izy, ary ny farany mitondra ny lohateny hoe:"Andrénaline". Ankoatra izany, dia namoaka ihany koa ny raki-kira telo mivantana.

Izy no nandresy tamin'ny fandaharana andiany voalohany:" Danse avec les stars", tamin'ny taona 2011, ary tamin'ny taona 2014 izy dia lasa mpitsara tao anatin'ity fandaharana ity tamin'ny andiany fahadimy.


Tamin'ny taona 2016, lasa mpitsara tamin'ny :" The voice kids" andiany fahatelo ihany koa izy, ary nandresy tamin'izany ho mpanazatra an'i Manuela Diaz. Tamin'ny taona 2017, lasa mpitsara tamin'ny "The voice: la plus belle voix" andiany fahenina izy, ka nandresy indray niaraka tamin'ny mpianany Lisandro Cuxi.

I Matt dia mpanakanto nahazo loka betsaka indrindra tamin'ny NRJ Music Awards: loka eny amby folo amin'ny iraika amby roapolo fanendrena.[2]


TANTARANY

[hanova | hanova ny fango]

Fahazazana sy fianarana

[hanova | hanova ny fango]

Matthieu Tota[3] dia teraka tamin'ny 26 septmbra 1985. André Tota ny Rainy, mpilalao baolina kitra razambe poloney. Ny Reniny dia i Brigitte Tarz. Avy amin'ny diaspora poloney ny razambeny amin'ny lafin'ny raim-pianakaviana, izay tonga avy any Krakow nankany Lorraine tamin'ny taona 1930 mba hiasa tany amin'ny fitrandrahana vy. Raha ny fianakaviana amin'ny lafin'ny Reniny kosa dia avy amin'ny andiana miaramila nisy hatramin'ny ela.

Manana rahalahy iray izy,Julien Tota, izay nampahafantatra azy tamin'ny mozika tamin'ny alalan'ny raki-kira Bad an'i Michael Jackson ary lasa iray amin'ireo mpitendry mozika niaraka taminy tamin'ny mozika.

Rehefa niaraka tamin'ny ekipan'i Strasbourg ny Rainy, dia tany Alsace no nahaterahan'i Matthieu tamin'ny 1985.

Nianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga fototra: Fréres de la Doctrine Chrétienne ao Strasbourg izy, avy eo tany amin'ny Kolejy Paul-Emile Victor au Mindaulsheim, ary tany amin'ny Lycée profesionnel Aristide Briand ao Schiltighiem, ao avaratr'i Strasbourg.[4]


1.http://fluctuat.premiere.fr/Musique/News/Probleme-de-Matt-3189970

2.NRJ Music Awards : quel artiste détient le record de trophées glanés durant cette cérémonie

3.M. Pokora : Son vrai nom est Mathieu Tota

4.https://fr.vikidia.org/wiki/M._Pokora

5.https://fr.wikipedia.org/wiki/M._Pokora

  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2024-05-21. Retrieved 2025-06-11.
  2. .NRJ Music Awards : quel artiste détient le record de trophées glanés durant cette cérémonie
  3. .M. Pokora : Son vrai nom est Mathieu Tota
  4. 1.http://fluctuat.premiere.fr/Musique/News/Probleme-de-Matt-3189970