Mônazita

Ny mônazita dia mineraly fôsfata tsy fahita firy, misy tany hamatra, anisan' izany ny seriôma, ny lantanina, ny neôdima ary ny tôriôma.
Tsy karazana mineraly tokana ny mônazita fa ny anarana mahafaoka karazana vitsivitsy miavaka, dia:
- ny mônazita-(Ce), (Ce,La,Nd,Th)PO4
- ny mônazita-(La), (La,Ce,Nd)PO4,
- ny mônazita-(Nd), (Nd,La,Ce)PO4,
- ny mônazite-(Sm), (Sm,Gd,Ce,Th)PO4,
- ny mônazite-(Pr), (Pr,Ce,Nd,Th)PO4.
Toetrany
[hanova | hanova ny fango]
Ny mônazita dia miloko mavo, volontany, mena na maitso. Eo anelanelan' ny 5 sy 5,5 ny hamafiny amin' ny maridrefy Mohs. Eo anelanela' ny 4,6 sy 5,7 g/cm³ ny hakitrokany. Misy taratra radiôaktifa ihany ny mônazite noho ny fisian' ny tôriôma sy oraniôma ao aminy.
Noho ny fahafahany mandray oraniôma (U, n° 92) sy tôriôma (Th, n° 90) dia ny mônazita no mineraly radiôaktifa indrindra aorian' ny oraninita sy ny tôrianita ary ny tôrita; izy io koa no mineraly radiôaktifa fantatra indrindra ary, ao amin' ny vato maromaro, dia izy no mineraly mpampiantrano ny oraniôma sy tôriôma lehibe indrindra.
Fampiasana ny mônazita
[hanova | hanova ny fango]Ny mônazita dia ampiasaina amin' ny famokarana neôdima (Nd), izay ilaina amin' ny fanamboaraba andriamby maharitra amin' ny môtera elektrika (fiara elektrika, eôlienina, sns.). Loharanon' ny seriôma (Ce, n° 58) sy ny lantanina na lantanôma (La, n° 57) koa, izay ampiasaina amin' ny katalizeran' ny fiara sy amin' ny fanamboarana fitaratra manokana, ny mônazita. Heverina ho toy ny fandrehitra na fandoro, ho an' ny reaktera nokleary andiany vaovao, ny tôriôma azo avy amin' ny mônazita. Ampiasaina ho fandoko ao amin' ny indostrian' ny fitaratra sy seramika (bakoly, sns) ny sasany amin' ny singa ao aminy.
Ny fisian' ny mônazita eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Manana fasimainty misy mônazita i Madagasikara, indrindra any amin' ny faritra amorontsiraka. Matetika ny mônazita no trandrahana miaraka amin' ny mineraly hafa toy ny ilmenita sy ny zirkôna, indrindra amin' ny tetikasa fitrandrahana toa ny Base Toliara.
Noho ny maha radiôaktifa azy, ny fitrandrahana ny mônazita dia miteraka olana ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana, indrindra ho an' ny mpiasa sy ny mponina akaikin' ny toeram-pitrandrahana.