Mônarsisma

Ny mônarsisma dia foto-pampianarana pôlitika sy hevitra ny olona manohana sy miaro ny mônarsia (fitondràn' olon-tokana), nefa tsy miankina amin' ny mônarka voatondro manokana, izany hoe endriky ny fitondram-panjakana izay misy olona tokana (mônarka) mitazona ny fahefam-panjakana. Ny olona manohana an' io endrika governemanta io dia atao hoe mônarsista. Amn' ny mifanohitra amin' izany, ny fanoherana ny fitondrana mônarka dia antsoina hoe repoblikanisma. Tsy voatery ho lova ny fomba fisafidianana mônarka: amin' ny toe-javatra tsy fahita firy dia mety hofidina izy ireo, toy ny emperora tao amin' ny Empira Rômana Masina, ny mpanjaka voafidy tany Pôlônina, ny dôza tao amin' ny Repoblikan' i Venezia, na (ankehitriny) ny papa ao amin' ny Eglizy Katôlika Rômanina ao Vatikàna sy ny soltàna ao Malezia.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Tsy afangaro amin' ny hoe "mônarsianisma" (teôlôjia)
- Demôkrasia
- Fisaraham-pahefana