Hankany amin'ny vontoatiny

Lycopodiopsida

Avy amin'i Wikipedia
Lycophyta
Lycopodiella cernua)

Ny Lycopodiopsida, izay fantatra kokoa amin' ny anarana hoe Lycophyta, dia kilasin' ny zavamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta) miavaka amin' ny fananany ravina kely sy ny fananahany amin' ny alalan' ny spôra. Ity vondrona ity dia ahitana ny Lycopodiales sy ny Isoetes ary ny Selaginella. Ity vondrona tranainy ity, izay manana tantara mihoatra ny 420 tapitrisa taona, dia ahitana vondron-karazana izay manana endrika miavaka, toy ny Phlegmariurus, ny Lycopodiella (ahitana ny anatrandraka na tongotsokina), ny Lycopodium ary ny Isoetes, izay ny rizômôrfa dia mampahatsiahy ny an' ny Stigmaria, Lepidophyta fôsily.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]