Luffa
Fiseho

Ny Luffa dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Zavamaniry mianika, trôpikaly sy sobtrôpikaly izy ireo, manana vony vavy mavo. Mamokatra voa izay mampahatsiahy ny korzety na ny kôkômbra ny endriny. Ambolena sy hohanina atao legioma izy io, saingy tsy maintsy otazana mbola tsy matoy vao azo hanina. Malaza any India, Sina, Nepaly, Botàna, Bangladesy ary Vietnamy ity legioma ity. Rehefa matoy tanteraka ny voany dia lasa tsiraka mafy loatra ka tsy azo hanina.
Ny karazana fantatra indrindra eto Madagasikara dia ny Luffa acutangula (izay atao hoe papangay, parapangay, pipangay) sy ny Luffa cylindrica (izay atao hoe fanasandovia)
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]- Luffa acutangula (L.) Roxb.,
- Luffa aegyptiaca Mill. (na Luffa cylindrica, Luffa pentandra),
- Luffa astorii Svenson
- Luffa echinata Roxb.
- Luffa graveolens Roxb.
- Luffa operculata (L.) Cogn.
- Luffa quinquefida (Hook. & Arn.) Seem.
- Luffa sepium (G. Mey.) C. Jeffrey