Hankany amin'ny vontoatiny

Loza voajanahary

Avy amin'i Wikipedia
Rivodoza trôpikaly

Ny loza voajanahary dia loza vokatry ny zava-miseho voajanahary: horohoron-tany, fipoahana volkano, tsonamy, fihotsahan'ny tany, fihotsahan' ny fotaka, tondra-drano, tafio-drivotra, rivo-mahery, rivodoza trôpikaly, oram-baratra, sns[1]. Nasongadin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana ho an' ny Fampihenana ny Loza Voajanahary (United Nations Office for Disaster Risk Reduction - UNDRR) fa ny fiovan’ ny toetany no tena fototry ny fitomboan’ ny loza voajanahary tao anatin' ny 20 taona. Ny tondra-drano sy ny tafio-drivotra no loza matetika indrindra nandritra ny taona 2000 sy 2010. Ho an' ny taona 2020, ny Firenena Mikambana dia manombatombana fa ny onjan-kafanana no ho olana lehibe indrindra.

Famaritana ny loza voajanahary

[hanova | hanova ny fango]

Ny loza voajanahary dia zava-mitranga mahery vaika sy tampoka avy amin’ny zavaboary izay mety hiteraka fahasimbana goavana:

  • amin'ny trano sy fananana
  • amn'ny zavaboary sy tontolo iainana

Karazana loza voajanahary mahazatra

[hanova | hanova ny fango]
  • Tsonamy
    Horohoron-tany: fihovitrovitry ny tany vokatry ny fifanosehana takelaka tektonika.
  • Rivotra mahery: rivotra mahery sy orana mivatravatra, mety hitranga isaky ny vanim-potoana.
  • Sahandrano sy tondra-drano: rano mihoatra ny fetra noho ny oram-be na faharavan’ny farihy sns.
  • Afo anaty ala: afo mandoro ny ala sy faritra midadasika, matetika amin’ny vanim-potoana maina.
  • Vovoka avy amin'ny volkano: Fipoahan'ny tendrombohitra mirehitra.
  • Tsy fisian'ny orana sy haintany: Tsy fisian’ny rotsak’orana mandritra ny fotoana lava, mitarika kere.

Vokatra ratsy entin'ny loza voajanahary

[hanova | hanova ny fango]
  • Fahaverezan'aina sy fianakaviana
  • Fahasimbana amin'ny fotodrafitrasa (trano, lalana, toby famokarana herinaratra)
  • Fampahantrana sy fahantrana ara-tsosialy
  • Fikorontanan’ny toekarena sy fambolena
  • Fikorontanan’ny fiainana andavanandro sy fialana an-tery

Fisorohana sy fiarovana

[hanova | hanova ny fango]
  • Fampianarana mialoha: fanentanana eny an-tsekoly sy amin’ny haino aman-jery
  • Fampiasana fitaovana sy famantarana loza: alarma, radar
  • Fananganana trano sy fotodrafitrasa mahatohitra loza
  • Fanomanana paikady vonjy taitra (plan ORSEC, fiarovana ara-piarahamonina)

Loharanom-pahalalana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes (BNGRC) – Madagascar UNDRR – United Nations Office for Disaster Risk Reduction