Lotesiôma

Ny lotesiôma na lotetiôma dia metaly volon-davenona manopy volom-bolafotsy, somary makitroka, malemy sady mora volavolaina, ao amin' ny vondron' ny lantanida sady anisan' ny metaly mavesatra ao amin' ny tany hamatra. Azo sokajiana ho metaly tetezamita koa izy io.
Aseho amin' ny alalan' ny eva Lu izy sy manana laharana atômika 71 ary manana lanja isam-bentin-kadiry 9,84 mg/sm3. Manana miratoerana roa izy, dia ny 175Lu sy ny 176Lu. Ny voalohany dia heverina ho marin-toerana ary mahaforona ny 97,4 % amin' ny habetsahan' ny lotesiôma voajanahary. Ny anarana hoe lotesiôma dia fanagasiana ny hoe lutecium na lutetium izay avy amin' ny anarana latinan' i Paris taloha hoe Lutetia, izay nomen' ny mpikaroka azy ho fanomezam-boninahitra ny tanànan' i Paris.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Tena voafetra ny fampiasana ny lotesiôma, indrindra noho ny vidiny raha oharina amin' ny an' ny lantanida hafa. Ny lotesiôma dia azo ampiasaina ho toy ny mpandrisikoto.