Lingoza

Ny lingoza na longoza dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Zingiberaceae. Aframomum angustifolium no anarany ara-tsiansa. Miparitaka be any amin’ ny tany trôpikaly atsy Afrika sy eto Madagasikara sy ao amin' ny nosy Maskarena ity zavamaniry ity. Ampiasaina ho zava-manitra amin' ny sakafo sy fanafody maro ny vihy sy ny voany. Iray fianakaviana amin' ny sakamalao sy ny tamotamo ity zavamaniry ity.
Faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]Ny lingoza no karazana miparitaka be indrindra amin' ny vondron-karazana Aframomum. Hita eto Madagasikara sy ao amin' ny nosy Maskarena ary manerana an’ i Afrika trôpikaly, hatrany Kôtidivoara ka hatrany Sodàna Atsimo sy Môzambika.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]
Ampiasaina betsaka ho zava-manitra sy hitsaboana ny nofom-boan' ny lingoza, izay manana tsiro somary mafanafana. Any Nizerià dia kapohina sy atao tady famatorana ampemby ny tahony, ary ataon' ny vahoaka Igede zava-manitra ny fakany (rizôma). Any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia tsakoina ny voany mba hatao fanafody kankana. Any Liberià dia ampiasaina mba hanamaivanana ny fanaintainana aorian' ny fiterahana ny ny fototry ny lingoza. Mandeha ihany koa ny fikarohana momba ny fiasan' ny lingoza izay manohitra ny fahanterana amin' ny alalan' ny fampiasana ny vihiny. Manana hery manavao ny tamba-tsela sy manohita ny fahanterana ny vihiny mainty hita amin' ny voany mena efa masaka tsara.