Lohasahan' ny Mpanjaka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Lohasahan'ny Mpanjaka)

Ny Lohasahan' ny Mpanjaka (arabo: وادي الملوك‎ Wādī al-Mulūk; kôptika: ϫⲏⲙⲉ, džēme), fantatra ihany koa amin' ny hoe Lohasahan' ny Vavahadin' ny Mpanjaka (arabo: وادي أبواب الملوك Wādlūī Abwāb),‎ dia lohasaha any Ejipta izay, nandritra ny fe-potoana efa ho 500 taona nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 ka hatramin' ny taonjato faha-11 tal. J.K., dia nisy fasana nohadina amin' ny vatolampy ho an' ny farao sy ny andriana mahery tao amin' ny Fanjakana Vaovao ( tarana-mpanjaka faha-18 ka hatramin' ny tarana-mpanjaka faha-20 tany Ejipta fahiny).