Lohasahan' ny Hantsana Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany anehoana amin'ny fomba notsorina ny rafi-kantsana ao Afrika Atsinanana: ny tsipika tapatapaka (- - -) no mamaritra ny Lohasahan'ny Hantsana Lehibe.

Ny Lohasahan'ny Hantsana Lehibe na Rift-Valley dia anarana nomen'ny mpahita tany ekôsey John Walter Gregory ny vondrona ara-jeolojia itambaran'ny hantsana maro mifanesy sy afotroa (volokano), taorian'ny diany tany Afrika atsinanana britanika tamin'ny taona 1894. Raha tohizana hatrany amin'ny Ranomasina Mena ka hatrany amin'ny faritry ny Ampiposahana izany dia manana halava 6 000 km any ho any izany hantsan-dava izany avy atsimo mianavaratra, sady manana sakany mirefy 40 hatramin'ny 60 km, avy any Siria mankany Mozambika mandalo ny Ranomasina Mena sy ny Farihy Lehibe afrikana. Atao hoe Great Rift Valley izany faritra izany amin'ny teny anglisy fa Vallée du Grand Rift kosa amin'ny teny frantsay.