Hankany amin'ny vontoatiny

Loganiaceae

Avy amin'i Wikipedia
Strychnos nux-vomica

Ny Loganiaceae dia fianakavian-javamaniry dikôtiledôna. Zavamaniry ahitra na hazobotry na vahy, na hazo izy ireo, izay maniry any amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatrany amin' ny faritra manana toetany trôpikaly, indrindra any amin' ny ila-bolantany atsimo. Amin' ny ankapobeny dia mifanipaka, tsotra, feno, na misy vilombilona ny raviny. Matetika ahitana lahimbony sy vavimbony miaraka ny voniny.

Geniostoma borbonicum

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]
Spigelia marilandica

Araka ny fanasokajiana klasika dia misy karazana 500 mahery izay mitsinjara ao amin' ny vondron-karazana telopolo eo ho eo ny fianakaviana Loganiaceae. Nanao fanavaozana ny fanasokajiana filôjenetika APG (1998) sy ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) ary ny fanasokajiana filôjenetika APG III (2009) ka lasa misy karazana 400 mahery kely mitsinjara amin' ny vondron-karazana 13 na 14 ity fianakaviana ity. Natao ao amin' ny fianakaviana Gelsemiaceae sy Gentianaceae ary Scrophulariaceae ny zavamaniry sasany tao amin' io fianakaviana io. Namindra ny vondron-karazana Sanango avy amin' ny Loganiaceae mankany amin' ny Gesneriaceae (Lamiales) ny fanasokajiana filôjenetika APG IV (2016).

Schizacme novae-zelandiae

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Nôvambra 2023, ny Plants of the World Online dia manaiky vondron-karazana miisa16[1]:

  • Adelphacme K.L.Gibbons, B.J.Conn & Henwood
  • Antonia Pohl
  • Bonyunia R. H. Schomb. ex Progel
  • Gardneria Wall.
  • Geniostoma J. R. Forst. & G.Forst. (syn. Labordia Gaudich. )
  • Logania R.Br.
  • Mitrasacme Labill.
  • Mitreola L.
  • Neuburgia Blume
  • Norrisia Gardner
  • Orianthera C.S.P.Foster & B.J.Conn
  • Phyllangium Dunlop
  • Schizacme Dunlop
  • Spigelia L.
  • Strychnos L.
  • Usteria Willd.

Vondron-karazana nesorina

  • Androya H.Perrier -> Scrophulariaceae
  • Anthocleista Afzel. ex R.Br. -> Gentianaceae
  • Buddleja L. -> Scrophulariaceae
  • Desfontainia Ruiz & Pav. -> Columelliaceae
  • Emorya Torr. -> Scrophulariaceae
  • Fagraea Thunb. -> Gentianaceae
  • Gelsemium Juss. -> Gelsemiaceae
  • Gomphostigma Turcz. -> Scrophulariaceae
  • Mostuea Didr. -> Gelsemiaceae
  • Nuxia Comm. ex Lam. -> Stilbaceae
  • Peltanthera Benth. -> Gesneriaceae
  • Plocosperma Benth. -> Plocospermataceae
  • Polypremum L. -> Tetrachondraceae
  • Potalia Aubl. -> Gentianaceae
  • Retzia Thunb. -> Stilbaceae

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Loganiaceae R.Br. ex Mart.", Plants of the World Online.