Literatiora apokaliptika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Literatiora apokaliptika na soratra apokaliptika no ilazana ireo boky mirakitra ny faminaniana ara-pahitana avy amin'Andriamanitra ny amin'ny maha antomotra ny hiafaran'izao rehetra izao sy ny hiavian'ny tontolo vaovao tonga lafatra. Ny soratra fantatra indrindra dia ny Apokalipsin'i Joany ao amin'y Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly. Vitsy ny soratra apokaliptika voaray ho kanona (filamatry ny finoana). Ny maro amin'ny soratra apokaliptika dia apokrifa.

Ny soratra apokaliptika kanonika[hanova | hanova ny fango]

Ny soratra apokaliptika ao amin'ny Testamenta Taloha[hanova | hanova ny fango]

Efa misy soratra apokaliptika ny ao amin'ny Testamenta Taloha nefa amin'ny ankapobeny dia miditra anatin'ireo faminaniana mahazatra izany. Ahitana andalana apokaliptika ao amin'ny bokim-paminaniana sahala amin'ny Bokin'i Isaia sy ny Bokin'i Jeremia sy ny Bokin'i Ezekiela sy ny Bokin'i Joela ary ny Bokin'i Zakaria. Ny Bokin'i Daniela dia efa apokaliptika feno[1].

Ireto avy ireo andalana apokaliptika ao amin'ny Testamenta Taloha:

Ny soratra apokaliptika ao amin'ny Testamenta Vaovao[hanova | hanova ny fango]

Tsy ny Apokalipsan'i Joany ihany no boky apokaliptika ao amin'ny Testamenta Vaovao fa na ireo Filazantsara dia ahitana andalana apokaliptika na eskatolojika. Ireto ireo andalana apokaliptika ao amin'ny Testamenta Vaovao ankoatran'ny ao amin'ny Apokalipsin'i Jaona, indrindra ny ao amin'ny Evanjelin'i Matio sy ny Evanjelin'i Marka ary ny Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana:

Ny boky apokaliptika apokrifa[hanova | hanova ny fango]

Ny ankabeazan'ny soratra apokaliptika apokrifa (tsy voaray ho kanona) dia mitondra ny anarana hoe "Apokalipsy". Misy karazany roa izy ireo, dia ireo nosoratana teo anelanelan'ny nanoratana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao sy ireo nosoratana tamin'ny fotoanan'ny Testamenta Vaovao na taorian'io. Ny Protestanta dia miantso an'ireo boky ireo hoe pseodepigrafa.

Apokalipsy apokrifa talohan'ny Testamenta Vaovao[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo Apokalipsy apokrifa talohan'ny Testamenta Vaovao:

Ny Bokin'i Henoka (na Henoka etiopiana) dia apokrifa na pseodepigrafa ho an'ny ankamaroan'ny fiangonana fa deoterokanonika izy ho an'ny Fiangonana ortodoksa teoahedo etiopiana. Torak'izany koa ny Bokin'ny Jobily.

Apokalipsy apokrifa tamin'ny fotoan'ny Testamenta Vaovao na taoriany[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo Apokalipsy tamin'ny fotoan'ny Testamenta Vaovao na taoriany :

  • Apokalipsin'i Adama
  • Apokalipsy voalohan'i Jakoba
  • Apokalipsy faharoan'i Jakoba
  • Apokalipsy voalohan'i Jaona
  • Apokalipsy faharoan'i Jaona
  • Apokalipsy fahatelon'i Jaona
  • Apokalipsin'i Goliasa
  • Apokalipsan'i metodiosy
  • Apokalipsin'i Paoly
  • Apokalipsy koptan'i Paoly
  • Apokalipsin'i Petera
  • Apokalipsy gnostikan'i Petera
  • Apokalipsin'i Sedraka
  • Apokalipsin'ny Eseniana
  • Apokalipsin'i Samoela sy i Kalamona
  • Apokalipsin'i Stefana

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy:[hanova | hanova ny fango]

  1. Charles, Robert Henry (1911). "Apocalyptic Literature". In Chisholm, Hugh. Encyclopædia Britannica. 2 (11th ed.). Cambridge University Press. pp. 169–175.