Hankany amin'ny vontoatiny

Literatiora am-bava (kolontsaina malagasy)

Avy amin'i Wikipedia
Literatiora am-bava

Ny literatiora am-bava, eo amin' ny kolontsaina malagasy, dia zavakanto vita amin' ny teny izay tsy noraiketina an-tsoratra tamin' ny voalohany sy nolovaina avy amin' ny Ntaolo malagasy ary nampitampitaina am-bava tamin' ny alalan' ny fitantarana sady mbola misy mamorona hatramin' izao.

Famaritana

[hanova | hanova ny fango]

Ny literatiora am-bava dia lahateny na lahabolana, nampiasain' ny Ntaolo fahiny, mba nanehoany ny heviny, ny fihetseham-pony,...talohan'ny nahatongavan'ny soratra. Literatiora tononina sy tanisaina fotsiny ny literatiora am-bava. Miampitampita amin'ny alalan'ny lovantsofina ny fomba fitantarana indrindra fa ny soatoavin'ny fiarahamonina sy ny literatiora, izany hoe amin' ny alalan' ny vava no ampiasana azy.

Ny literatiora izany dia zavakanto nolovaina tamin' ny Ntaolo izay natao hampitana hafatra sy hoentina mananatra ka natao amin' ny alalan' ny vava [1]. Samy manana ny mampiavaka azy ny faritra maro teto Madagasikara ka nisongadina tamin'izany ireto: angano, ankamantatra, kabary, ankifidy, hainteny, sôva, tôkatôka, jijy, beko, takahontsy, sokela,...[2]

Mpandray anjara amin'ny literatiora am-bava

[hanova | hanova ny fango]

Ny mandray anjara amin'ny literatiora am-bava dia ny mpitantara, ny mpihaino, ny mpikabary, ny mpanao hainteny ary ny mpihira. Tsy literatiora ny literatiora am-bava raha toa ka tsy misy mpihaino sy mpandray anjara mivantana (mpitantara, mpikabary, ...)[3].

Misy karazany roa ny literatiora am-bava, dia ny lahabolana sy ny lahateny.

Lahabolana

[hanova | hanova ny fango]

Misy sokajy roa ny lahabolana, dia ny lahabolona mirindra izay ahitana ny sôva, ny tôkatôka, ny jijy, ny beko, ny horija, sns, sy ny lahabolana tsotra izay misy ny angano, ny ankamantatra, ny ohabolana, ny ankifidy, sns.

Ireto manaraka ireto no lahateny: ny kabary sy ny hainteny[4]. Amin' ireo karazany ireo ihany koa dia misy ny natao hanabeazana sy hampitana vaovao sy soatoavina [5]

Fiavahan' ny literatiora am-bava

[hanova | hanova ny fango]

Ny literatiora am-bava dia miavaka noho izy:

  • tsy manavaka sokajin'olona na saranga;
  • iarahan'ny rehetra manatontosa, na mivantana na an-kolaka,
  • foronina eo no ho eo,
  • tsy misy tompony.

Tara-kevitra hita ao amin'ny literatiora am-bava

[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny tara-kevitra hita ao amin' ny literatiora am-bava ireto tanisaina manaraka ireto:

  • fifankatiavana,
  • fihavanana,
  • fanentanana hamokatra,
  • fikaloana na fandokoana ny zavaboary.

Toetran'ny literatiora am-bava

[hanova | hanova ny fango]

Tso-po ny fampitana ny literatiora am-bava izay ampitaina amin'ny alalan'ny fitantarana sy sarin-teny samihafa mampitolagaga sy milantolanto ary mapientana ny mpihaino.[6]

Anjara toeran'ny literatiora am-bava

[hanova | hanova ny fango]

Manana ny anjara toerany ny literatiora am-bava noho izy natao:

  • hampitana vaovao;
  • hampitana hafatra;
  • hitahirizana tantara sy kolo-tsaina;
  • ho fialam-boly. [7]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://fr.scribd.com/document/528893667/Programme-2nde
  2. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291
  3. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291
  4. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291
  1. https://plateforme.education.mg/bibliotheque-numerique/course/index.php?categoryid=65&utm_source=chatgpt.com
  2. https://fr.scribd.com/document/528893667/Programme-2nde
  3. https://books.openbookpublishers.com/10.11647/obp.0034.pdf?utm_source=chatgpt.com
  4. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291
  5. literatioara aminy ankampobeny
  6. https://fr.scribd.com/document/587298280/Malagasy-2nd?utm_source=chatgpt.com
  7. https://www.scribd.com/document/747910307/Lit-Literatiora-am-bava?utm_source=chatgpt.com

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]