Lisitry ny zavatra ara-kainkintana madinidinika
| Rabenalisoa Ravalitera Jean | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Rabenalisoa Ravalitera Jean | |
| Teraka | 28 Novambra 1945 | |
| Toerana | Tsiroanomandidy | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | Mpampianatra- mpikaroka | |
| Asa hafa | Mpikabary, mpanoratra... | |
| Fiainana manokana | ||
Mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]I RABENALISOA Ravalitera Jean ,izay fatatra koa amin'ny solon'anarana hoe J. Nalisoa RAVALITERA na Benaina eo amin'ny asa sorany .Izy dia teraka tamin'ny 28 Novambra 1945 tao Tsiroanomandidy ary nanambady an'i Lisy Ravalitera izay mpanoratra toa azy ihany .
Ny andraikiny
[hanova | hanova ny fango]Betsaka ireo sehatr'asa izay iseharany satria sady mpampianatra mpikaroka izy no mpanabe, mpanoratra, mpikabary, talen'ny foibe momban'ny teny ao amin'ny akademia, talen'ny haikanto sy hailaza ao amin'ny akademia ihany koa izy, ary tomponandraikitry ny " radio" anjomara (94.8 fm)
Ny fikambanana
[hanova | hanova ny fango]Nisy ihany koa ireo fikambananana izay nisy azy na teto an-toerana na tany ivelany toy ny ACALAN ( Académie deLangues des Africains), faribolana SANDRATRA, Havatsa U.P.E.M.
Asa soratra
[hanova | hanova ny fango]Eo amin'ny sehatry ny kanto indray dia nanoratra tantara( tantara fihaino, sombin-tantara) izy, fa indrindra ny tena nanavanana azy sy nironany kokoa dia ny fanoratana tononkalo ary isany tena nahafatarana azy sy tiany ilay mitondra ny lohateny hoe " ampitoviana".
Ny boky
[hanova | hanova ny fango]Amin'ny maha ao anaty fikambananana azy dia niara-niasa tamina resaka famoaham-boky izy toy ny boky "fara mamy" ( J. Nalisoa RAVALITERA, Hermann Ravelomanana, Fanomezana Rabemolaly), "matoy" ( J. Nalisoa RAVALITERA, Omgui, Ranoë), kanefa nanoratra boky ho azy manokana izy toy "tapa-porohana", " zetra", "fitia manandala", "mavana".
Miavaka
[hanova | hanova ny fango]Manana docteur amin'ny " es-lettres" izy. Ary niavaka ny nanehoany izany " thése" izany satria dia teny gasy no nanantanterahany azy, izay zavatra tsy mbola fahita maneran-tany mihitsy . Lohahevitra tamin' izany dia ny hoe " ny very tadiavina ao anatin 'ny asa soratr'i saint louis Raphaël Rafringa"
Fialamboly
[hanova | hanova ny fango]Na dia eo izany rehetra izany, izy dia isan'ireo olona mpanao fanatanjahantena ka ny tena nanavanana azy dia voley baolina sy ny baolina kitra ary efa nisy fotoana izy efa tompondaka tamin' izany. Hoy ilay mpanoratra iray izay hoe ao anatin'ny vatana tomady no ahitana saina matsilo".
____________________________________________
Loharano
- https:// fr. GlobalVoices. org
- https:// newsmada. Com
- https:// akademia malagasy. mg
- confessions ( kolo Tv, 2023)