Lisitry ny lalao amin' ny teny malagasy
Fiseho
Inty ny lisitry ny lalao amin' ny teny malagasy. Ny hoe "lalao" eto dia hetsika ara-batana na ara-tsaina aza, izay misy fandaminana mba ho fialam-boly, izay mety hantsoina hoe "kilalao" ihany koa. Notondroina manokana amin' ny hoe "kilalao" ny zavatra azo tsapain-tanana ka lalaovina. Ny saribakoly dia kilalao fa ny kizanajanaka kosa dia lalao.
Lisitra
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitra izay hotohizina miandalana. Ny famaritana omena eto dia niainga avy amin' izay hita ao amin' ny Rakibolana malagasy nosoratan' i Rajemisa-Raolison Régis, izay hasiana fanatsarana miandalana ihany koa.
A
[hanova | hanova ny fango]- Anjaingy: Zavatra atao lohany amin' ny kilalao; kilalao fanaon' ny ankizilahy izay manao antsongoloka mitehina amin' ny tanana
- Ankamantatra:
- Ankitsapaka:
- Antsavily: Tady ahantona ka mikipilipily na mivezivezy mitondra ny tena handroso na hihemotra
- Antsefa: Kilalao isehoam-pahakingana amin' ny tanana izay alefa ka asandrahaka, toa mikainkona, mba hamelezana ny ankilany, izay manao toy izany koa: samy mikendry izay hahatratrarana ny an-daniny avy ny mpilalao
- Asampinga: (na marakely) matson' ny ankizy manao fiaraha-mihetsika amin' ny ampinga sy hazo kely toa tehina solo-na lefona
B
[hanova | hanova ny fango]D
[hanova | hanova ny fango]- Daka: Famelezana amin' ny tongotra, tsipaka
- Diamanga: Kilalao ifamelezana amin' ny tongotra araka ny fomba manara-dalàna ary ilana tanjaka sy hakingana: Mamely diamanga. Ny diamanga izay atao koa hoe daka dia kilalaon' ny zanak' Imerina indrindra, izay nifanaovana am-bakitany taloha fa vao taty aoriandriana no lasa kilalao nifanaovan' ny tsirairay; maro karazana ny diamanga, fa dimy no malaza indrindra: ny antsatoka, ny kapatokana, ny ambadika, ny kopala, ary ny antongomby
E
[hanova | hanova ny fango]F
[hanova | hanova ny fango]- Fampanononana ankamantatra:
- Fampitaha: Kilalao fanaon' ny ankizivavy izay mifaninana mba hahitana izay tsara tarehy sy mahay mandihy: mifanao andaniny roa izy ireo, ka samy mifidy tovovavy iray ravahany araka ny fahaizany avy. Rehefa vonona avy izy roa dia samy miseho ary samy rafitra mampiseho ny fahakingany mandihy avy: ny be sy ny maro no mitsara
- Fanalafihana:
- Fandroribola na fandraribola na fandroribahy: Kilalao ahitana ankizy mizara roa mifanao an-kilany sy an-daniny ka mifandrirotra tady lava iray; izay an-daniny tsy mahatohitra fa manaraka ny an-kilany no resy
- Fanenjika:
- Fangalampiery: Kilalaon' ny ankizy izay toy izao no fandehany: miafina ny maso fa misy anankiray kosa mitady ireo mpiery; ary dia izay hita voalohany amin' ireo indray no mitady; raha misy tsy hitan' ilay mpitady dia milaza "afa-po" izy, ka miseho ilay niery
- Fanorona: Karazan-kilalaon-drazana malagasy fampiasan-tsaina atao eo amin' ny fafana izay vakivakin' ny tsipika mifanapatapaka ka amin' ny fiadian' ireny tsipika ireny no ametrahan' ny mpilalao roa tonta ny vatony mitovy isa; misy fanoron-telo, dimy ary ny an-tsivy, izay tena malaza ary fanaon' ny olon-dehibe indrindra
G
[hanova | hanova ny fango]H
[hanova | hanova ny fango]- Hazakazaka: Fandehanana haingana, riotra
I
[hanova | hanova ny fango]J
[hanova | hanova ny fango]K
[hanova | hanova ny fango]- Katra: Karazan-daolao fanaon' ny vehivavy sy ny ankizy: misy lavaka boribory maromaro laha-droa mifanitsy, ka vato roa isan-davaka no atao aminy; afindra zaraina amin' ny lavaka tsirairay ireo ka misy fotoana ahazoan' ny mpilalao ny vaton' ny an-kilany mifanitsy amin' ny azy; izay mahatapitra ny vaton' ny anankiray aloha araka izany no mandresy
- Katro:
- Kifanimpanina: Lalaon' ny ankizy mihodinkodina ka avy eo dia fanina sy mivembena
- Kindriandriana: Lalaon-jazavavy kely misy solon' olona vita amin' ny tomaboha (ny lehilahy tomaboha lavalava, ny vehivavy tomaboha boribory) miaina ao an-tokantrano
- Kiombiomby: Lalao fanaon' ny ankizilahy, izay ahitana ny iray amin' izy ireo mody atao omby mandrifatra ka manenjika ny sasany
- Kitaritarika:
- Kivarivary: Tsilalaon' ny ankizy manao nahandrohandro ka vovoka no ataony solon' ny vary
- Kizanajanaka: Sariolona na saribakoly ataon' ny ankizy, indrindra ny ankizivavy, lalao sy lazainy fa zanany ka babeny na trotroiny
L
[hanova | hanova ny fango]M
[hanova | hanova ny fango]- Moraingy: Haiady nentin-drazana izay mbola fanao any amin' ny faritra sasany eto Madagasikara
O
[hanova | hanova ny fango]P
[hanova | hanova ny fango]- Piarapiara: Lalaon' ankizy mifampilanja na manao kilanjalanja ka ny tanana mifandika eo anoloana no ilanjan' ny zaza roa ny anankiray fahatelo
R
[hanova | hanova ny fango]- Rabòka: Kilalaon' ankizy isehoan-kakingana sy hafainganam-pandeha: misy ankizy iray izay atao hoe boka; manenjika ny ankizy rehetra eo izy, ka izay voakasiny dia boka misolo azy indray. Indraindray kosa anefa raha mitaingim-bato ireo enjehina, na toerana voatondro tsy hahaboka, dia tsy boka na dia voakasika aza: atao hoe tsibohaboka ny anaran' ilay kilalao amin' izany
- Ralanitra:
- Raosijamba:
S
[hanova | hanova ny fango]- Savoandanitra:
T
[hanova | hanova ny fango]- Tanisa: Kilalao enti-manisa ka toy izao no fanao izany: atsipy ambony ny vatokely, dia tantazana amim-pahakingana tsy avala ho latsaka ary dia atsipy haingana indray, ary dia toy izany hatrany hatrany
- Tapîka: Kilalao ifanaovan' ny ankizy manao izay hianjeran' ny zavatra eny an-tanan' ny namany amin' ny fipehana azy, ka raha latsaka dia lasany na isasahana aminy
- Tolona: Fifampibedana hifandavo; fifandraisana hanao izay hampianjera ny andaniny
- Tongo-dovia: Fomba fijoro amin' ny tongotra an' ila fotsiny ihany, izany hoe ny tongotra iray mijoro, ny ilany akarina mivonkina
- Totohondry:
- Tsikonina: Kilalao fanaon' ny ankizy taloha rehefa tonga ny fety lehibe toy ny fetim-pirenena: izy ireo no mahandro ny sakafony eny ankalamanjana, indraindray amin' ny vilany na fitaovana kely antonona azy
- Tsingolobatita: Karazan-dalao fanaon' ny ankizy: ny lohany ataony ambany ary ny tongony ambony
- Tsipilavaka: Vato fisapisaka boribory atsipin' ny ankizy mba hiditra amin' ny lavaka na amin' ny faritra iray ka izay mahatafiditra no mahazo ny loka
- Tsobato
- Tsontsori-mamba: Fianjerana ao anaty rano, ka ny loha no alefa aloha; kilalaon' ankizilahy: atao mifampidipiditra ao anelakela-pen' ny namana avy ny lohan' ny tsirairay dia mitsimbadimbadika amin' izay izy
V
[hanova | hanova ny fango]- Valala manjohy:
- Vatokely miara-mahita:
Z
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Lalao
- Kilalao
- Lisitry ny kilalao amin' ny teny malagasy
- Kolontsaina malagasy
- Teny mitovy endrika:
- Katra: zavamaneno (korintsana), zavamaniry (Caesalpinia bonducella, Capparis spinosa var. pyracantha), fitaovan-dakozia (vita amin' ny akoram-boanio).
- Vatokely: poti-bato na ampaham-bato; zavamaniry (Filicium decipiens, Tina striata)