Hankany amin'ny vontoatiny

Lisitra Menan' ny UICN

Avy amin'i Wikipedia
Isan' ny karazana ao amin' ny sokajy tsirairay ao amin' ny Lisitra Menan' ny IUCN tamin' ny volana Martsa 2026 (ny tena isa: ampitomboina arivo)

Ny Lisitra Menan' ny UICN dia lisitra momba ny karazan-javamananaina voamban' ny fahalaniana tamingana avoakan' ny UICN (fikambanana iraisam-pirenena ho an' ny fiarovana ny zavaboary) izay manombana ny mety hahalany tamingana ny karazana zavamaniry sy karazana biby eto ambonin' ny Tany. Noforonina tamin' ny taona 1964, ny Lisitra Menan' ny IUCN izay lisitra feno indrindra eran-tany momba ny satan' ny fiarovana maneran-tany ny karazana zavamaniry sy karazana biby (indrindra ny karazana vorona sy ny karazana biby mampinono ) fantatra manerana izao tontolo izao. Aseho amin' ny endrika tahiry an-tserasera izay havaozina tsy tapaka izy io, izay manome antsipiriany momba ny satan' ny karazana mihoatra ny 150 000 (tamin' ny taona 2023) avy amin' ny karazana 1,8 tapitrisa fantatra. Ny Vaomieran' ny Fiarovana ny Karazana (Commission de sauvegarde des espèces) no namorona ny Lisitra Mena. Ny tanjona nanaovana ny Lisitra Mena dia ny hanome sehatra ahafahana mandinika ny halehiben' ny fahasamihafan' ny zavamananaina eto amin' izao tontolo izao sy hanarahana ny fivoaran' izany, ny fampiroboroboana ny fandaharan' asa mikendry ny fiarovana ny karazan-javamananaina voambana ary ny fanombanana ny fahombiazan' ireo fandaharan' asa ireo. Ity lisitra ity anefa dia mbola tsy feno ho an' ny vondrona izay tsy ampy fandalinana, toy ny trondro na ny môlioska, na ireo izay ahitana karazana maro dia maro loatra toy ny bibikely (marikitra ny 1 tapitrisa ny karazana fantatra, nefa angamba miisa any amin' ny 10 tapitrisa izany raha ny marina).