Hankany amin'ny vontoatiny

Linguist List

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantaranaSehatra ôfisialy: /linguistlist.org

Ny Linguist List dia angon-drakitra an-tserasera momba ny fiteny izay ampiasain' ny National Science Foundation any Etazonia, ankoatry ny hafa. Ny tena mampiavaka azy indrindra, izay ary ny tranainy indrindra, dia ny lisitry fitsinjarana elektrônika efa nomanina mialoha, misy mpamandrika an' arivony maneran-tany.

Izy io dia manolotra fangatahana fampahalalana sy famintinana ny valinteny nomena mifandraika amin' izany, fifanakalozan-kevitra, tabilao fitanisana ny gazetiboky, famintinana votoatim-pikarohana, fangatahana lahatsoratra, fanambaràna momba ny famoahana boky na rindrambaiko na fihaonambe ho avy, sns.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]