Liliales

Ny Liliales dia filaharan-javamaniry tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny zana-kilasy Liliidae. Ny zavamaniry ahitra , izay matetika maniry mihoatra ny roa taona, no tena betsaka ao aminy, izay miavaka noho ny fananany taova ambanin' ny tany toy ny vody na taranja. Ahitana fianakaviana be mpahalala maromaro izy io, anisan' izany ny Liliaceae, ny Melanthiaceae, ary ny Colchicaceae. Matetika ireo zavamaniry ireo dia manana raviny ahitana kirany mira zotra sy fizaràna mandeha tsitelotelo, ahitana voniny matetika miloko marevaka sy mibaribary, manamora ny famindrana vovobony sahanin' ny bibikely. Ny karazana sasany, toy ny an' ny vondron-karazana Lilium, dia ambolena betsaka hatao haingo.
Amin' ny lafiny ekôlôjika dia manana toeram-paniriana isan-karazany ny Liliales, manomboka amin' ny faritra manana toetany trôpikaly ka hatramin' ny faritra manana toetany antonony, anisan' izany ny faritra be tendrombohitra. Manana lanjany ara-pitsaboana koa ny zavamairy sasany ao amin' ity filaharana ity izay ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana na fanamboarana fanafody môderina, nefa misy ihany koa ny karazana misy poizina.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Nivoatra hatrany ny fanasokajiana anatiny ao amin' ny filaharana Lilliales sy ny fianakaviana ao anatiny.
Fanasokajiana klasikan' i Cronquist
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981) dia misy fianakaviana 17 ny filaharana Liliales:
Fanasokajiana APG II
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003), ny filaharana Liliales dia ahitana ireto fianakaviana 10 ireto:
- Alstroemeriaceae
- Campynemataceae
- Colchicaceae
- Corsiaceae
- Liliaceae
- Luzuriagaceae
- Melanthiaceae (nampidirina ao anatiny ny Trilliaceae)
- Philesiaceae
- Ripogonaceae
- Smilacaceae
Fanasokajiana APG III
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanasokajiana APG III (2009) dia ahitana izao fianakaviana manaraka izao ny filaharana Liliales:
- Alstroemeriaceae (nampidirina ao anatiny ny Luzuriagaceae)
- Campynemataceae
- Colchicaceae
- Corsiaceae
- Liliaceae
- Melanthiaceae
- Petermanniaceae
- Philesiaceae
- Ripogonaceae
- Smilacaceae