Aller au contenu

Likaônia

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra misy an' i Lokaônia ao Azia Minora (amin' ny teny frantsay)

I Likaônia dia faritra ara-tantara tany Azia Minora, voafaritr' i Kapadôkia ao avaratra-atsinanana, i Galatia ao avaratra, i Frigia any avaratra-andrefana, i Isaria ao andrefana, ary i Kilikia ao atsimo-atsinanana. I Ikôniôna na Ikônioma no renivohiny, izay atao hoe Konya ankehitriny. Tanàna roa hafa any Likaônia i Listra sy i Derbe.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Likaônia dia hita ao amin' ny loharanon-kevitra mifandray amin' ny diabe fanafihana nataon' i Kirôsy Zanany. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Λυκαωνία = Lykaônia dia midika hoe "tanin' ny amboadia" na "tanin' ny lopa". Amin' ny Grika dia an' i Frigia Lehibe io fizaràn-tany io.