Hankany amin'ny vontoatiny

Lemuroidea

Avy amin'i Wikipedia
Karazana Lemurioidea, manomboka eo ambony ka hatrany ambany ary miankavia miankavanana: Lemur catta, Propithecus diadema, Daubentonia madagascariensis, Archaeoindris fontoynonti, Microcebus diadema, Eulemur rufifrons, Varecia variegata.

Ny Lemuroidea dia reny fianakaviana biôlôjikam-biby ao amin' ny filaharana Primates, ahitana ny gidro sy ny sifaka ary ny maky. Miankina amin' ny hevitry ny mpanoratra, misy ireo mihevitra azy io ho hany reny fianakaviana ao anatin' ny zafim-pilaharana Lemuriformes, raha toa kosa ka misy ireo mihevitra fa tokony hozaraina ho Lemuroidea sy Cheirogaleidea ny Lemuriformes.

Biby manana orona mando ny karazana ao aminy, izay mitsinjara amin' ny fianakaviana 8, ahitana vondron-karazana 15 sy karazana manodidina ny 100 mbola misy ankehitriny. Eto Madagasikara ihany no ahitana azy ireo. Kely vatana ny ankamaroan' ny karazana ankehitriny, manana vava somary lava sy maranitra, maso lehibe ary rambo lava. Matetika izy ireo no mipetraka eny amin' ny hazo ary amin' ny alina vao tena mihetsika.

Lisitry ny fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny fianakaviana ao amin' ny Lemuroidea araka ny Mammal Species of the World (versiona 3, 2005) (20 Jona 2014):

Inty koa ny lisitra hafa izay ahitana faianakaviana betsaka kokoa noho io eo ambony io:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  • Lemoria (kôntinanta novinavinaim-pisiana)