Hankany amin'ny vontoatiny

Lemuriformes

Avy amin'i Wikipedia
isan-karazany

Ny Lemuriformes dia zafim-pilaharana, ao amin' ny zana-pilaharana Strepsirrhini, ao amin' ny filaharana Primates, izay hita eto Madagasikara sy ao amin' ny Vondronosy Kômôro. Ny Lemuriformes dia tsy razamben' ny Anthropoidea (rajako sy olombelona), izay izaràny ny toetra môrfôljika sy ny fitondran-tena hita amin' ny primata voalohany.

Tonga teto Madagasikara avy atsy Afrika ny Lemurifommes, 62 hatramin' ny 65 tapitrisa taona lasa izay, niampita ny ranomasina tamin' ny alalan' ny lafika zavamaniry tamin' ny fotoana nahafahan' ny onjan-dranomasina niparitaka nankaty amin' ny Nosy. Nanomboka teo dia nivoatra ny Lemuriformes mba hahafahany miatrika ny tontolo iainana faran' izay manaraka fizaràn-taona, ary ny fahafahany mampifanaraka ny fiainany amin' izany dia nanome azy ny fahasamihafàna maro izay mifaninana amin' ny fahafahan' ny vondrona primata hafa. Efa ho 2 000 taona lasa izay, fotoana fohy taorian' ny nahatongavan' ny olombelona teto Madagasikara, dia mbola nisy Lemuriformes mitovy habe amin' ny gôrila lahy teto amin' ny Nosy. Amin' izao fotoana izao dia misy karazana Lemuriormes an-jatony eo ho eo, ary ny ankamaroan' ireo karazana ireo dia hita (na nakarina ho karazana mahaleo tena) tamin' ny taompolo 1990, saingy mbola iadian-kevitra ny fanasokajiana taksônômika ary miankina amin' ny famaritana ny atao hoe "karazana". Na dia ny fanasokajiana amin' ny ambaratonga eo ambony aza dia misy manohitra, ka aleon' ny manam-pahaizana sasany mametraka ny ankamaroan' ny karazana gidro ao amin' ny zafim-pilaharana Lemuriformes, raha ny hafa kosa manambatra ny Strepsirrhini mbola misy rehetra ao amin' ny Lemuriformes, ary mametraka ny gidro rehetra ao amin' ny reny fianakaviana Lemuroidea, sy ny lôrisy rehetra sy ny galagôsy ao amin' ny reny fianakaviana Lorisoidea.

Ny lanjan' ny karazana ao amin' ny Lemuriformes dia manomboka amin' ny 30 grama ka hatramin' ny 9 kilao ary manana toetra fototra maro iraisany izy ireo, toy ny fananana rantsan-tanana sy ny ratsan-tongotra afaka mifanohitra, ary ny fananana hoho fisaka tsy hoho maranitra ho an' ny ankamaroan' ny karazana. Na izany aza, ny haben' ny atidohany, raha oharina amin' ny vatany, dia kely kokoa noho ny an' ny primata antrôpôida, ary toy ny Strepsirrhini hafa dia manana orona mandro (rhinarium) izy ireo. Ny Lemuriformes, amin' ny ankapobeny, no tena miaina anaty fiarahamonina indrindra amin' ny Strepsirrhini, ary mifampiresaka kokoa amin' ny alalan' ny fofona sy feo raha mitaha amin' ny fampiasana ny fahitana. Ny sakafon' izy ireo amin' ny ankapobeny dia ahitana voankazo sy ravina isan-karazany, fa ny sasany dia manana sakafo manokana kokoa. Na dia maro amin' ny karazana Lemuriformes aza no manana sakafo mitovy amin' izany, ny karazana samy hafa dia manana toeram-pivelomana miavaka ao anatin' ny ala iray ihany.

Zava-dehibe amin' ny fikarohana ny Lemuriformes satria ny fifangaroan' ny toetrany ntaolontaolo sy ny toetra itambarany amin' ny primata antrôpôida dia afaka manome fanazavana vaovao momba ny fivoaran' ny primata sy ny olombelona. Na izany aza, maro ny karazana Lemuriformes atahorana ho lany tamingana noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany sy ny fihazana. Manampy amin' ny fiarovana ny gidro sy ny ala misy azy ireo ny fomba amam-panao nentim-paharazana amin' ny ankapobeny, nefa manakana sy manimba ny ezaka fiarovana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fahantrana miely patrana ary ny korontana ara-pôlitika eto Madagasikara.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Fanasokajiana misy zafim-pilaharana 3 sy reny fianakaviana 2

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ity fanasokajiana ity dia mizara ho zafim-pilaharana telo (Chiromyiformes:sy Lemuriformes ary Lorisiformes) sy reny fianakaviana roa (Cheirogaleoidea sy Lemuroidea) ny zana-pilaharana Strepsirrhini ao amin' ny filaharana Primates. Ao amin' ity fanasokajiana ity dia manana fianakaviana miisa fito ny zafim-pilaharana Lemuriformes.

Fanasokajiana misy zafim-pilaharana iray sy reny fianakaviana roa

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ity fanasokajiana ity dia tsy misy afa-tsy zafim-pilaharana tokana (Lemuriformes) sy reny fianakaviana roa (Lemuroidea sy Lorisoidea) ny zana-pilaharana Strepsirrhini ao amin' ny filaharana Primates. Ao amin' ity fanasokajiana ity dia manana fianakaviana miisa valo miampy ny an' ny Lorisoidea (na Lorisiformes) ny zafim-pilaharana Lemuriformes.