Hankany amin'ny vontoatiny

Lemoela (mpanjaka)

Avy amin'i Wikipedia
I Lemoela sy ny reniny

I Lemoela dia mpanjaka resahina ao amin' ny Bokin' ny Ohabolana (Ohab 31:1 sy 4) ao amin' ny Baiboly, nefa tsy fantatra mazava ny momba azy. Manombantombana ny mpikaroka sasany fatokony tsy ho iza i Lemoela fa i Sôlômôna na i Hezekia (na Ezekiasa), fa ny hafa kosa mihevitra fa mety ho mpanjakan' i Masa izy. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe לְמוּאֵל / Ləmū’ēl, izay midika hoe "ho Azy, El", izany hoe "ho an' Andriamanitra").

Na ara-tantara izany na ara-panoharana, dia tafiditra ao anatin' ny torohevitry ny Baiboly ny tarigetran' ny fahefana voafehy sy mahonon-tena ary miompana amin' ny rariny ara-tsôsialy, araka ny nampianarin' ny fahendren' ny reny.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Mety ho avy amin' ny teny hebreo hoe לְ / le, izay midika hoe "an'"na "ho an'", sy ny hoe אֵל / El, izay midika hoe "Andriamanitra". Noho izany, ny hoe Lemoela (hebreo: לְמוּאֵל / Ləmū’ēl) àry dia midika hoe: "an' Andriamanitra", "ho an' Andriamanitra", na "natokana ho an' Andriamanitra". Izany dia manamafy ny hevitry ny anarana teôlôjika na manan-kaja, izay mety ho an' ohatra.

Misy ifandraisany amin' ny anarana hoe Laela izay hita ao amin' ny Bokin' ny Nomery (Nom 3:24) izay midika hoe lehilahy natokana "ho an' Andriamanitra" ny anarana hoe Lemoela. Amin' ny famotoran-teny dia iray tarika amin' ny hoe Jamoela ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Genesisy 46:10 ) sy amin' ny hoe Namoela ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tantara 4:24) ny anarana hoe Lemoela.

Ny hafatra nampitaina taminy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Ohabolana 31:1–9 dia karazana fampianaran-dreny miantefa amin' ny mpanjaka zanany, izay mahafaoka ny lafiny fitondran-tena sy pôlitika ary fitsarana. Anisan' ny lohahevitra resahina ny fampitandremana amin' ny fanararaotana tafahoatra amin' ny filana ara-nofo (and. 3), ny fanamelohana ny fibobohan-toaka ataon' ny mpitondra (and. 4–7); ary ny andraikitry ny mpanjaka hiaro ny osa sy ny mahantra ary ny ampahorina (and. 8–9). Ireo fitsipika fototra ireo dia mifanaraka amin' ny etika maha mpanjaka mitovy amin' ny literatioram-pahendrena tany Atsinanana Akaiky fahiny.

I Sôlômôna ihany ve i Lemoela ?

[hanova | hanova ny fango]

Tsy hita ao amin' ny lisitry ny mpanjakan' i Israely na ny an' ny mpanjakan' i Jodà i Lemoela. Tsy voatonona ao amin' ny Bokin' ny Mpanjaka na ny Bokin' ny Tantara izy. Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mino fa tsy mpanjaka israelita i Lemoela, fa mpanjaka hafa firenena izay nampidirina tao amin' ny literatioram-pahendrena hebreo ny teniny.

Nisy mpivaofy teny tamin' ny Andro Taloha sy tamin' ny Andro Antenatenany izay nilaza fa i Lemoela dia anarana hafa iantsoana an' i Sôlômôna na Salômôna, izay adika hoe "natokana ho an' Andriamanitra" na "ho an' Andriamanitra". Araka ny lovantsofna, ny Bokin' ny Ohabolana dia ampifandraisina amin' i Sôlômôna ary ny reny izay misahana anjara asa fanabeazana dia indraindray heverina ho i Batseba.

Misy fetrany anefa io petra-kevitra io satria tsy misy porofo mivaingana ao amin' ny Baiboly milaza izany, ny anarana Lemoela dia tsy nomena an' i Sôlômôna na oviana na oviana any amin' ny toeran-kafa ao amin' ny Baiboly, ary ny famakafakana ny Baiboly ankehitriny dia mihevitra an' io fampitoviana io ho tombantombana fotsiny.

Izao fotsiny ny voasoratra ao amin' ny Baiboly momba an' i Lemoela:

Tenin' i Lamoela mpanjak' i Masa. Oha-teny nampianaran-dreniny azy (Ohab 31:1).

Tsy mety amin' ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin' ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin' ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka (Ohab 31:4)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]