Hankany amin'ny vontoatiny

Lembalemba Breziliana

Avy amin'i Wikipedia
Ny Lembalemba Breziliana

Ny Lembalemba Breziliana dia faritra ara-jeôgrafia midadasika mandrakotra ny ampahany be amin' ny faritra atsinanana sy atsimo ary afovoany any Brezila, manodidina ny 4 000 000 km2, saika ny antsasaky ny velaran' ny firenena. Atao hoe Planalto Brasileiro izy amin' ny teny pôrtogey.

Ny tangoron-tendrombohitra avo indrindra dia i Serra do Caparaó, eo anelanelan' ny fanjakan' i Minas Gerais sy ny an' ny Espírito Santo, any atsinanana, izay mahatratra 2 891 m ao Pico da Bandeira. Manaraka azy i Serra da Mantiqueira, any atsimo atsinanana, izay mirefy 2 798 m. Ny tampona roa avo indrindra any Brezila, i Pico da Neblina sy i Pico 31 de Março, any amin' ny farany avaratra, dia tsy anisan' ilay Lembalemba Breziliana fa Lembalemban' i Guiana.

Any atsimo atsinanana sy any atsimo, manomboka any Espírito Santo ka hatrany avaratra amin' i Rio Grande do Sul, mipaka saika hatrany amin' ny Ranomasimbe Atlantika ilay lembalemba ary mifarana sy midina tampoka. Any andrefana sy any avaratra izy io dia midina tsikelikely mankany amin’ ny lemak’ i Gran Chaco sy ny faritanin-dranon' i Amazônia. Ny faritanin-dranon' i Paraná any atsimo andrefana ary ny faritanin-dranon' i São Francisco any avaratra-atsinanana.

Ny sasany amin' ny tanàna lehibe indrindra ao Brezila dia hita eo amin' ilay lembalemba, anisan' izany ny renivohitr' i Brasilia (1 172 m), ny tanàna lehibe indrindra São Paulo (760 m), ary ireto renivohi-panjakana ireto: i Belo Horizonte (858 m) sy i Curitiba (935 m) ary i Goiânia (749 m).

Ny tontolo voajanahary lehibe indrindra dia ny Ala Atlantika any atsimo sy atsinanana ary ny faritra Cerrado any afovoany sy any avaratra ary any andrefana.