Legioma faka

Ny legioma faka na legioma fakany dia ny ampahany ambanin' ny tany amin' ny zavamaniry izay alaina hatao legioma hohanina. Amin' ny lafiny bôtanika, ny sasany amin' ireo legioma ireo dia tsy tena fakany, satria matetika izy ireo dia taovam-panangonana tahirin-tsakafo (vodiny), izany hoe taho na faka niova anjara asa.
Faka sy taova hafa
[hanova | hanova ny fango]Faka "tena izy" ny voalohany fa saingy nihangeza ary miavaka noho ny firafitry ny tamba-tselany sy ny tsy fisian' ny tsimoka (solofo) haniry, ka ny tena anjara asany dia ny mampiorina ilay zavamaniry sy mitroka otrikaina avy amin' ny tany, fa nivadika ho taovam-pitehirizana (ohatra: Scorzonera hispanica, Tragopogon porrifolius, sns). Taho ambanin' ny tany (taranja na rizôma, sns) izay niova ho vodiny mba hatao fanangonana tahirin-tsakafon' ilay zavamaniry ny sasany:
- fakany nihangeza (karaoty, betiravy, nave, radisa, ...);
- fototry ny taho nihangeza (selery, ...);
- vodin-javamaniry (ovmbazaha, sakamalao, …).
Fanampin' izany, indraindray dia tafiditra ao anatin' io sokajy io ny solon-taho izay tsy inona fa foto-dravina mitambatambatra sy miantoka ny fanangonana tahirin-tsakafo, indrindra fa ny Amaryllidaceae (tongologasy, tongolobe, tongolomadinika, …).
Ny legioma faka misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Legioma faka tena izy
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny legioma faka misy eto Madagasikara, tena faka ny hanina:
- Apium graveolens var. rapaceum (Apiaceae) -- selery
- Beta vulgaris (Amaranthaceae) -- betiravy
- Brassica rapa (Brassicaceae) --
- Daucus carota na Daucus sativus (Apiaceae) -- karaotinsoavaly, karaoty
- Ipomoea batatas (Convolvulaceae) -- ambizo, bageda, bariaho, batata, bege, bela, bele, belena, belity, bokala, bolidy, ovimanga, vomanga
- Manihot esculenta na Manihot utilissima (Euphorbiaceae) -- balahazo, belahazo, kajaha, kazaha, mahogo, mangahazo
- Pachyrhizus erosus (Fabaceae) --
- Raphanus sativus (Brassicaceae) -- radisa
Legioma taho milevina
[hanova | hanova ny fango]Ireto manaraka ireto dia voasokajy indraindray ho anisan' ny "legioma faka" nefa taho milevina no hanina aminy raha ny tena marina (jereo Legioma taho):
- Colocasia esculenta (Araceae) -- sahomamy, sahomavo, sahombia, sahonga, sahongoaka, saonasaona, saonjo, sohono, sonjo, taro
- Curcuma longa (Zingiberaceae) -- gingisy, gingiza, tamotamo, vaza, vogotany
- Dioscorea alata (Dioscoreaceae) -- bemako, mavondro, ovifantaka, oviharina, ovihary, ovikambarina, ovikambary, ovimboay, ovimena, ovirona, ovisorokomby, ovitanty, sorokomby
- Dioscorea esculenta (Dioscoreaceae) -- mavondro
- Dioscorea maciba (Dioscoreaceae) -- malita, mality, masiba, ovio
- Solanum tuberosum (Solanaceae) -- ambo, ovimbazaha, ovivory
- Tacca leontopetaloides (Taccaceae) -- maronkony
- Xanthosoma sagittifolium (Araceae) --
- Zingiber officinale (Zingiberaceae) -- sakamalao, sakarivo, sakaviro
Legioma foto-dravina milevina
[hanova | hanova ny fango]- Allium cepa (Amaryllidaceae) -- tongolobe, tongolombazaha, tongolonakanga
- Allium sativum (Amaryllidaceae) -- tongologasy, tongolonkova
- Camassia quamash (Asparagaceae) --
- Foeniculum vulgare (Apiaceae) --