Hankany amin'ny vontoatiny

Laurales

Avy amin'i Wikipedia
Laurus nobilis

Ny Laurales dia fiaharan-javamaniry mamony sy roa ravin-tsimoka. Izy ireo anisan' ny Magnoliidae na Magnolianae, ka mifandray amin' ny Magnoliales. Ity filaharana ity dia misy karazana 2 500 hatramin' ny 2 800 izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana eo anelanelan' ny 85 sy 90, izay mitsinjara amin' ny fianakaviana fito na valo izay ahitana hazo sy hazobotry. Ny ankamaroan' ny karazana ao aminy dia maniry any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly, na dia misy vondron-karazana vitsivitsy aza tonga any amin' ny faritra manana toetany antonony. Ny karazana fantatra indrindra amin' ity filaharana ity dia ny ao amin' ny fianakaviana Lauraceae (ohatra ny laorely (Laurus nobilis), ny kanelina (Cinnamomum), ny zavôka (Persea americana), ary ny Sassafras), ary koa ny hazo madinika Calycanthus fanao haingon-trano (ao amin' ny Calycanthaceae).

Lisitry ny fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana klasika (1981), dia misy fianakaviana valo ny filaharana Laurales:

Ao amin' ny fanasokajiana APG (1998) sy ny fanasokajiana APG II (2003) ary ny fanasokajiana APG III (2009) izay fanasokajiana filôjenetika dia misy fianakaviana fito ny filaharana Laurales:

Ao amin' ny fanasokajiana APG III (2009) dia namorona filaharana manokana (Amborellales) ny fianakaviana Amborellaceae izay tsy ahitana afa-tsy ny karazana Amborella trichopoda. Ny Trimeniaceae kosa dia nampidirina ao amin' ny filaharana Austrobaileyales.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]