Hankany amin'ny vontoatiny

Lauraceae

Avy amin'i Wikipedia
Cinnamomum camphora (ravintsara)

Ny Lauraceae dia fianakavian-javamaniry mamony sy roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Laurales. Ity fianakaviana ity dia ahitana karazana eo anelanelan' ny 2 000 sy 2 850 mahery, izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana eo anelanelan' ny 45 sy 50 mahery, ahitana hazo sy hazobotry manana ravina saika maitso lalandava. Hita indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony sy mafana, indrindra fa any Azia Atsimo-Atsinanana sy any Amerika Atsimo ny zavamaniry ao amin' ity fianakaviana ity. Maro amin' izy ireo ny manitra sy maitso lalandava, fa ny sasany, toa ny vondron-karazana Sassafras, dia manintsan-dravina. Miavaka ao amin' ny Lauraceae ny vondron-karazana Cassytha satria vahy katsentsitra ny karazana ao aminy. Tena misy poizina ny karazana maro ao anatin' ity fianakaviana ity. Azo hanina sy be mpihinana anefa ny sasany toy ny zavôka (Persea americana). Nandray anjara lehibe tamin' ny varotra zava-manitra ny karazana ao amin' ny fianakaviana Lauraceae, indrindra fa ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana toa ny Cinnamomum, izay mamokatra menakamanitra izay ampiasaina betsaka amin' ny fandrahoan-tsakafo sy amin' ny fanamboarana ranomanitra ary amin' ny fitsaboana nentim-paharazana.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
Ravina avy amin' ny karazana efatra amin' ny Lauraceae: Cinnamomum camphora (ravintsara), Litsea glutinosa (zavôka manja), Cinnamomum aromaticum, Persea americana (zavôka)

Inty ny lisitry ny vondron-karazana 58 ao amin' ny fianakaviana Lauraceae araka ny Plants of the World Online/:

  • Actinodaphne Nees
  • Aiouea Aubl.
  • Alseodaphne Nees
  • Alseodaphnopsis H.W.Li & J.Li
  • Andea van der Werff
  • Aniba Aubl.
  • Apollonias
  • Aspidostemon Rohwer & H.G.Richt.
  • Beilschmiedia Nees
  • Camphora Fabr.
  • Caryodaphnopsis Airy Shaw
  • Cassytha Osbeck
  • Chlorocardium Rohwer, H.G.Richt. & van der Werff
  • Cinnadenia Kosterm.
  • Cinnamomum Schaeff.
  • Clinostemon Kuhlm. & Samp.
  • Cryptocarya R.Br.
  • Marmarthia
  • Damburneya Raf.
  • Dehaasia Blume
  • Dicypellium Nees & Mart.
  • Dodecadenia Nees
  • Endiandra R.Br.
  • Endlicheria Nees
  • Eusideroxylon Teijsm. & Binn.
  • Hexapora Hook.f.
  • Hypodaphnis Stapf
  • Kubitzkia van der Werff
  • Kuloa Trofimov & Rohwer
  • Laurus L.
  • Licaria Aubl.
  • Lindera Thunb.
  • Litsea Lam.
  • Machilus Rumph. ex Nees
  • Mespilodaphne Nees
  • Mezilaurus Kuntze ex Taub.
  • Nectandra Rol. ex Rottb.
  • Neocinnamomum H.Liu
  • Neolitsea Merr.
  • Nothaphoebe Blume
  • Ocotea Aubl.
  • Paraia Rohwer, H.G.Richt. & van der Werff
  • Parasassafras D.G.Long
  • Persea Mill. (synonym Apollonias Nees)
  • Phoebe Nees
  • Phyllostemonodaphne Kosterm.
  • Pleurothyrium Nees
  • Potameia Thouars
  • Potoxylon Kosterm.
  • Rhodostemonodaphne Rohwer & Kubitzki
  • Sassafras J.Presl.
  • Sassafrasoxylon
  • Sextonia van der Werff
  • Sinopora J.Li, N.H.Xia & H.W.Li
  • Syndiclis Hook.f.
  • Tamala Raf.
  • Triadodaphne Kosterm.
  • Ulminium Unger
  • Umbellularia Nutt.
  • Urbanodendron Mez
  • Williamodendron Kubitzki & H.G.Richt.
  • Yasunia van der Werff

Eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Cassytha filiformis

Ireto ny vondron-karazana hita eto Madagasikara:

  • Cassytha: vahy katsentsitra tsy misy raviny, karazana hita manerana ny faritra trôpikaly (Cassytha filiformis).
  • Cryptocarya: hazo misy raviny mifandimby, ahitana karazany 25 eo ho eo taorian' ny famindrana ny Ravensara. Ny karazana valo ao amin' ny vondron-karazana Ravensara dia nafindra ao amin' ny vondron-karazana Cryptocarya.
  • Aspidostemon: vondron-karazana ahitana karazana manodidina ny 30 tsy hita raha tsy eto Madagasikara, ahitana karazana tao amin' ny Cryptocarya, manana ravna mifanohitra, misy lahilbony telo na enina.
  • Ocotea: misy karazana 35 tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, manana voniny misy lahimbony sivy, voany miendrika kaopy; ahitana karazana tokana tsy hita afa-tsy ao Kômôro (Ocotea comoriensis).
  • Potameia: tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, misy karazany 25 eo ho eo.
  • Beilschmiedia: manana karazana sivy tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara.​ Ny zavamaniry ao amin' ny Apollonias, izay nahitana karazana miisa enina (A. grandiflora, A. madagascariensis, A. microphylla, A. oppositifolia, A. sericea, A. velutina) izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, dia efa nafindra ao amin' ny Beilschmiedia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]