Lasiodiscus

Ny Lasiodiscus dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Rhamnaceae. izay tsy hita raha tsy ao Afrika sy ao amin' ny nosy mifanila aminy. Ireto hazo madinika ireto dia manana ravina mifanohitra, matetika tsy mifandanja. Toa ny Colubrina, ny fihary atodinaina dia voahodidin' ny kpila misy mamimbony. Hita matetika any ambanin' ny ala trôpikaly izy ireo, na any amin' ny ala misy honahona. Ny karazana iray, L. rozeirae, dia voafetra amin' ny alan-tendrombohitra.
Ny Lasiodiscus dia mitovitovy amin' ny Colubrina, izay hita any amin' ny faritra neôtrôpikaly, any Azia ary aty amin' ny faritra afrôtrôpikaly, saingy tsy nahomby ny famakafakana ara-molekiola voalohany mba hamondronana azy ireo ho mpihavana akaiky indrindra.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Ity vondron-karazana ity dia misy karazana 9 ekena:
- Lasiodiscus chevalieri Hutch. –
- Lasiodiscus fasciculiflorus Engl. – Siera Leôna hatrany Nizerià, hatrany Kamerona ka hatrany amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô.
- Lasiodiscus holtzii Engl. –Afrika Atsinanana
- Lasiodiscus mannii Hook. – Afrika Afovoany
- Lasiodiscus marmoratus C.H. Wright – Kamerona
- Lasiodiscus mildbraedii Engl. – faritra trôpikaly aty Afrika sy manamorona ny morontsiraka atsinanan' i Afrika Atsimo
- Lasiodiscus pervillei Baill. – Afrika, Madagasikara, Maorisy, La Réunion ary Kômôro
- L. p. pervillei – miely patrana manerana an' i Madagasikara
- L. p. ferrugineus (Verdc.) Figueiredo – Afrika Atsinanana, sady tandindomin-doza
- Lasiodiscus rozeirae A.W. Exell – Saô Tômé ao amin' ny Hoalan' i Ginea, tandindomin-doza
- Lasiodiscus usambarensis Engl. – Tangoron-tendrombohitra Usambara ao Zimbaboe