Hankany amin'ny vontoatiny

Lantanina

Avy amin'i Wikipedia
Lantanina

Ny lantanina na lantanôma dia metaly dia singa simika aseho amin' ny alalan' ny eva La sy manana laharana atômika 57 ary manana lanja isam-bentin-kadiry 6,15 mg/sm3. Ao amin' ny vondron' ny lantanida sady anisan' ny metaly mavesatra ao amin' ny tany hamatra izy io. Amin' ny mari-pana anaty efitrano izy dia somary makitroka, miendrika metaly volon-davenona manopy volon-bolafotsy, azo volavolaina, azo roritina ho lavay, malemy ka azo tapahina amin' ny antsy. Mihaharafesina ao amin' ny rivotra sy ny rano izy io.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]
  • Vato brike: vita amin' ny mismetaly izay fifangaroan-tany hamatra: 55 % eo ho eo ny seriôma, 20 % ny lantanôma, 15 % ny neôdima, 5 % ny praseôdima, 1 % ny samariôma sy itriôma.
  • Fitehirizana hidirôzenina: ny tsama lantanina-nikela (LaNi5) amin' ny endrika vory dia mifoka hidirôzenina 400 heny ny hadiriny.
  • Mpandrisikoto ho an' ny môtera mandeha lasantsy: ny LaPbMnO3 ampiharina amin' ny ôksidan' ny lantanina dia mpandrisikoto tsara, mitsitsy kokoa noho ny volamahery (na platinina) sy ny paladiôma ampiasaina amin' izao fotoana izao.
  • fitaratra ôptika: ny fanampiana ny fabgaron' ny lantanina, ôksida-na latanina (La2O3) na karibônetra-na latanina La2(CO3)3, mampitombo ny tahan' taratra sy mampihena ny fiparitahan' ny hazavana samihafa loko.
  • Fampiasana hafa. Toy ny tany hamatra hafa dia ampiasaina amin' ny fanamboarana tsama andriamby, fangaro mampita aratra avo lenta, ho singa mpandrafira ny fôsfôro ao amin' ny tioban-dahiniba, ampiasaina amin' ny kristaly amin' ny fanamboarana lazera, ary ampiasaina amin' ny fanamboarana akora famantarana iadiana amin' ny hosoka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]