Hankany amin'ny vontoatiny

Lanitra fito

Avy amin'i Wikipedia

Ny lanitra fito, ao amin' ny kôsmôlôjia tao Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha, dia manondro habakabaka fito na sosona fito any ambonin' ny lanitra hita maso. Hita ao amin' ny fivavahana mezôpôtamiana fahiny, ny jodaisma, ny kristianisma, ary ny silamo ny amin' izany. Ao amin' ny fivavahana toa ny hindoisma sy ny hermetisma ary ny gnôstisisma koa dia misy lovam-pampianarana milaza fa izao rehetra izao dia azo sokajiana ho lanitra fito na fanjakana fito. Manampy ny lanitra fito amin' ny hevitra momba ny tany fito na tontolo ambanin' ny tany fito ny lovam-pampianarana sasany. Noheverina ho fanjakana misy andriamanitra na vatana an-danitra (toy ny "planeta" klasika sy ny kintana raikitra) ireo lanitra na tontolo ambanin' ny tany ireo.

Nisy karazany ny lovam-pampianarana momba ny lanitra fito. Matetika no namaritra ny isan' ny lanitra sy ny tany ho telo, fa tsy fito, ny kôsmôlôjia tany Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha. Fito ny isan' ny lanitra fantatra indrindra ao amin' ny kôsmôlôjia jiosy, nefa miova eo anelanelan' ny 3 sy 365 izany isa izany arakaraka ny lahatsoratra.

Maneho an' ohatra ny fahafenoana tonga lafatra ao amin' ny fanondroana ara-Baiboly ny isa fito, toy ny andro fito ao amin' ny herinandro, ny maso fito sy ny tandroka fiton' ny Zanak' Ondrin' Andriamanitra ao amin' ny Apôkalipsy, ny taranaka fahafito taorian' i Adama, dia i Lameka, izay tena ratsy fanahy, sy i Henôka izay niara-nandeha tamin' Andriamanitra.

Ao amin' ny fivavahana abrahamika

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny jodaisma

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fampianarana jiosy ao amin' ny Talmud, dia misy lanitra (שָׁמַיִם / shamayim) fito izao rehetra izao, araka ny aseho eto ambany:

  • Vilon (וילון), jereo Isaia 40:22 ("Izy no manerinerina eo ambonin' ny andohalambon' ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.", Ny Baiboly Masina)
  • Raki'a (רקיע), jereo Genesisy 1:17 ("Napetrak' Andriamanitra eo amin' ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany", Ny Baiboly Masina)
  • Shehaqim (שחקים), jereo Salamo 78:23 ("Kanefa nandidy ny rahona any ambony izy, ary nanokatra ny varavaran' ny lanitra.")
  • Zebul (זבול), jereo Isaia 63:15, 1Mpanjaka 8:13
  • Ma'on (מעון), jereo Deoterônômia 26:15, Salamo 42:9
  • Machon (מכון), jereo 1Mpanjaka 7:30, Deoterônômia 28:12
  • Araboth (ערבות), ny Lanitra Fahafito misy ny Ôfanima (na Seza Fiandrianana ao amin' ny fedrà kristiana) sy ny Hayyoth (na Serafima ao amin' ny fedrà kristiana).

Ny literatiora jiosy, Merkabah sy Heichalot, dia niresaka tsipiriany momba ireo lanitra ireo, indraindray mampifandray azy ireo amin' ny fitantarana momba an' i Henôka, toy ny hita ao amin' ny Boky faharoan' i Henôka.

Ao amin' ny silamo

[hanova | hanova ny fango]

Ny Kor'any sy ny Hadith dia miresaka matetika ny fisian' ny lanitra (سماوات / samāwāt) fito, izay mifandray amin' ny teny hebreo hoe שמים / shamāyim:

  • Rafi' (رفیع), ny ambany indrindra (السماء الدنیا)
  • Qaydum (قیدوم)
  • Marum (ماروم) -- Lanitra Fahatelo
  • Arfalun (أرفلون‏)
  • Hay'oun (هيعون‏)
  • Arous (عروس)
  • Ajma' (عجماء) -- Lanitra Fahafito

Ao amin' ny fivavahana sy filôzôfia hafa

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny hindoisma

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Purana rehetra, ny Brahmanda ("Atody kôsmika") dia mizara ho tontolo efatra ambin' ny folo fantatra amin' ny anarana hoe Loka. Fito ny tontolo ambony:

  • Bhoorloka (भूर्लोक izany hoe ny Tany sy ny lanitra)
  • Bhuvarloka (भुवर्लोक)
  • Svarloka (स्वर्लोक)
  • Maharloka (महर्लोक)
  • Janaloka (जनलोक)
  • Tapaloka (तपलोक)
  • Satyaloka (सत्यलोक)

Fito koa ny tontolo ambany: Atala, Vitala, Sutala, Talatala, Mahatala, Rasatala ary Patala.

Ao amin' ny spiritisma

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanehoana ara-panahy ny ambaratonga fito na ny tontolo fiton' ny Lanitra ao amin' ny spiritisma, indrindra araka ny foto-pampianarana narafitr' i Allan Kardec ary novelarin' ny mpanoratra spirita breziliana, ny ambaratonga tsirairay dia mifanitsy amin' ny ambaratongam-pivoarana ara-panahy na ambaratongam-panakaikezana ny tontolon' Andriamanitra.

  • Haizina: ambaratonga ambany indrindra, mifanitsy amin' ny tsy fahalalana, ny fijaliana ara-môraly na ara-panahy, izay ahitana saina tena tia zavatra ara-nofo (materialista) na mijaly.
  • Lavaka tsy hita noanoa: toe-piainana mikorontana ara-môraly sy ara-panahy lalina kokoa, izay matetika mifandray amin’' ny fisafotofotoana sy ny famoizam-po ara-panahy.
  • Karepoka: ambaratonga anelanelany, maneho ny sosona fanadiovana na fisarahana eo amin' ny ambaratonga ambany sy ambony.
  • Tokonana (Tokonana ambany sy afovoany ary ambony): faritra andalovan' ny fanahy amin' ny dingana maro ho an' ny fahatsiarovan-tena sy ho an' ny fiomanana alohan' ny hivoarana mankany amin' ny drafitra maro ambony kokoa; ny fizaràna ambany, sy afovoany ary ambony dia maneho ny ambaratongam-pijaliana na ambaratongam-pivoarana samihafa.
  • Sehatra tetezamita (siansa sy kolontsaina ary zavakanto): ambaratonga izay anombohan' ny fanahy hivoatra amin' ny alalan' ny fianarana sy ny famoronana ary ny fandrosoana ara-tsaina sy ara-môraly.
  • Sehatry ny fitiavana maneran-tany (fitiavam-pirahalahiana ho an' ny zavatra rehetra): ambaratonga avo kokoa izay ahafahan' ny fanahy miasa eo ambany fitarihan' ny fitiavana tsy tia tena, ny firaisankina ary ny fiantrana o an' ny olombelona sy ny zavatra rehetra.
  • Bola mpanjotra ny Planeta (Planin' ny fitantanan-danitra): ambaratonga avo indrindra, izay ahitana ny fanahy miara-miasa amin' ny fitarihana sy ny firindran' ny planeta (Tany ?), mandray anjara amin' ny iraka fitarihana ara-panahy sy ny fitsipika mifehy ny zavatra rehetra.

Ao amin' ny gnôstisisma

[hanova | hanova ny fango]

Milaza ny lahatsoratra gnôstika mitondra ny lohateny hoe "Ny amin' ny niandohan' izao tontolo izao" fa ny lanitra fito dia noforonin' i Ialdabaôta (Yaldabaoth) tao amin' ny Kaôsy (Khaos) ao ambanin' ireo fanjakana ambony, ary ny lanitra tsirairay dia fehezin' ny arkônta iray. Amin' ny andro farany dia hirodana tsirairay ireo lanitra ireo ary hisaraka roa ny lanitr' i Ialdabaôta, ka hianjera amin' ny tany sy hilentika ao amin' ny lavaka tsy hita noanoa ny kintany.

Ao amin' ny Apôkalipsy kôptan' i Paoly dia niakatra namakivaky ny Lanitra Fito ambany ny apôstôly Paoly. Tany amin' ny lanitra fahafito izy dia nifanena tamin' ny lehilahy antitra iray izay nanokatra ny vavahadin' ny fanjakana ivelan' ny totolo materialy, ary avy eo dia niakatra ho any amin' ny lanitra fahavalo sy fahasivy ary fahafolo i Paoly.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]