Lamoty
Fiseho

Ny anarana amin' ny teny malagasy hoe lamoty dia manondro karazana zavamaniry samihafa, ka anisan' izany ireto:
- ny hazo atao hoe kily na madiro na madilo na voamatony (Tamarindus indica) ao amin' ny vondron-karazana Tamarindus sy fianakavian-javamaniry Fabaceae;
- ny hazobotry atao hoe mokonazy na lamotifotsy (Ziziphus jujuba sy Ziziphus spina-christi) ao amin' ny vondron-karazana Ziziphus sy ny fianakavian-javamaniry Rhamnaceae;
- ny hazobotry atao hoe ramontsy na lamonty (Flacourtia ramontchi na Flacourtia indica) ao amin' ny vondron-karazana Flacourtia sy ny fianakavian-javamaniry Salicaceae (na Flacourtiaceae teo aloha);
- ny hazobotry atao hoe voaramontsina (Vaccinium emirnense na Vaccinium fasciculatum na Vaccinium secundiflorum) ao amin' ny vondron-karazana Vaccinium sy ny fianakavian-javamaniry Ericaceae;
- ny hazo atao hoe hazobe (Capurodendron ankaranense) ao amin' ny vondron-karazana Capurodendron sy ny fianakavian-javamaniry Sapotaceae.