Lamiales


Ny Lamiales dia filaharan-javamaniry mamony ao amin' ny klady Asteranae ao an' ny Eudicotyledoneae ary ao amin 'ny kilasy Magnoliopsida. Ao amin' ny Fanasokajiana APG IV dia misy fianakaviana 24 ity filaharana ity, ary misy karazana 23 810 eo ho eo voatsinjara amin' ny vondron-karazany 1 059, misy solontena hita manerana izao tontolo izao. Anisan' ny mpikambana malaza na manan-danja ara-toekarena amin' ity filaharana ny zavamaniry manitra sy fanao sakafo ary fanao fanafody toy ny bazilika na kiranjaivazaha na romba (Ocimum basilicum), ny solila (Mentha), kanda (Salvia), hazonjanahary (Leonotis nepetifolia), ôliva (Olea europaea), ny jasmina (Jasminum), ny tsimbolaotra (Streptocarpus), ny zakaranda (Jacaranda), ny seva (Buddleja) ary ny maho (Sesamum).
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny fianakaviana araka ny fanasokajian' i Conquist (1981) izay misy fianakaviana 4:
- Boraginaceae (tsy hita ao amin' ny APG IV fa hita kosa tao amin' ny APG III)
- Lamiaceae
- Lennoaceae (tsy hita ao amin' ny APG II, III, IV)
- Verbenaceae
Inty ny lisitry ny fianakaviana araka ny fanasokajian' ny APG IV (2016) izay misy fianakaviana 26:
- Acanthaceae
- Bignoniaceae
- Byblidaceae
- Calceolariaceae
- Carlemanniaceae
- Gesneriaceae
- Lamiaceae
- Lentibulariaceae
- Linderniaceae
- Martyniaceae
- Mazaceae
- Oleaceae
- Orobanchaceae
- Paulowniaceae
- Pedaliaceae
- Peltantheraceae
- Phrymaceae
- Plantaginaceae
- Plocospermataceae
- Schlegeliaceae
- Scrophulariaceae
- Stilbaceae
- Tetrachondraceae
- Thomandersiaceae
- Verbenaceae
- Wightiaceae