Lalaon'ny Nosy ho an'ny Ranomasimbe Indianina 2023
Lalaon'ny Nosy ho an'ny Ranomasimbe Indianina 2023
[hanova | hanova ny fango]Hetsika ara-panatanjahantena tanterahana isaky ny 4 taona ny Lalaon'ny Nosy any amin'ny Ranomasimbe Indianina na JIOI[1]. Tanterahana ao Madagasikara ny andiany faha-11, ny 24 aogositra hatramin'ny 3 septambra 2023. Fanintelony amin'izao ny firenena malagasy no mampiantrano ny JIOI. Miisa 7 ny firenena avy any amin'ny Ranomasimbe Indianina mandray anjara tamin'ilay andiany faha-11 : Madagasikara, Nosy La Réunion, Nosy Seychelles, Nosy Maldives, Nosy Comores, Nosy Mayotte ary Maurice[2].
Fandrindrana ny fandraisana ny lalao
[hanova | hanova ny fango]Sambany no nomena an'i Maldives ny fikarakarana ny Lalaon'ny Nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indianina ho an'ny taona 2023, araka ny tapaka teo anivon'ny Filankevitra Foiben'ny Lalao ny 27 jolay 2019. Nampanano sarotra ny fikarakarana ny fandraisana ny lalao ny nisian'ny valanaretina COVID-19. Ka nangataka ny hanemorana ny fifaninanana ho amin'ny taona 2025 i Maldives, saingy nolavina izany. Araka izany, ny volana desambra 2020, nesorin'ny mpikarakara tamin'i Maldives ny fampiantranoana ny JIOI 2023 ary nomena an'i Madagasikara. Nokendrena hotanterahana tany Toamasina ny lalao tany am-boalohany. Na izany aza, nisy 4 ny toerana nosokajian'ny Filankevitra Iraisampirenena Maharitry ny JIOI hanaovana ny hetsika tamin'ny taona 2022 (Antananarivo, Mahajanga, Tolagnaro ary ny Nosy Sainte-Marie). Nony farany, voafidy ho Antananarivo no handray ny andiany faha-11 amin'ny Lalaon'ny Nosy. Fanintelony izany izay ny renivohitr'i Madagasikara no hampiantrano ny hetsika, taorian'ny tamin'ny taona 1990 sy ny taona 2007.
Mitentina 34 miliara Ariary ny tetibola natokana nanomanana ny lalao tao Madagasikara.
Endriky ny fifaninanana
[hanova | hanova ny fango]Fandaharam-potoanan'ny fifaninanana ara-panatanjahantena
[hanova | hanova ny fango]Noho ny antony tsy azo nodivirana ara-pitaovana sy teo amin'ny lafiny fanomanana, ny volana mai 2023, nesorina tao anaty fandaharam-potoana ireo fifanintsanana rehetra, nokasaina hotanterahana ivelan'ny renivohitr'i Madagasikara, isan'izany ny surf, ny tir à l'arc, ny baolina lavalava lalaovin'olona 7, ny kick-boxing, ny équitation, ny beach-volley ary ny beach soccer. Saingy tapaka ihany nony farany fa ampidirina ho isan'ireo taranja hifaninanana ny kick-boxing sy ny taekwondo. Ka lasa miisa 19 ny fanatanjahantena nifaninanan'ireo mpandray anjara.
Toerana nanaovana ny fifanintsanana
[hanova | hanova ny fango]Samy natao tao amin'ny kianjaben'ny Barea Antananarivo avokoa, na ny lanonam-panokafana na ny lanonam-pamaranana amin'ny fomba ofisialin'ny JIOI 2023.

15 ny fitambaran'ny fotodrafitrasa voafantina handray ny fifanintsanana.
| Toerana | Tanàna | Endriky ny toerana | Taranja |
|---|---|---|---|
| Kianjan'ny Barea | Antananarivo | Nazavaozina | Lanonam-panokafana sy famaranana Baolina kitra sy Baolina lavalava lalaovin'olona 7 (dingana famaranana) |
| Toerana fitobian'ny fiara Kianjan'ny Barea | Antananarivo | Nazavaozina | Basket-ball 3x3 |
| Kianjan'Alarobia | Antananarivo | Efa misy | Hazakazaka |
| Amphithéâtre CCI | Ivato
(banlieue d'Antananarivo) |
Efa misy | Ady totohondry sy Kick-boxing |
| Parc d'exposition Forello | Tanjombato
(banlieue d'Antananarivo) |
Efa misy | Badminton sy Tenisy ambony latabatra |
| Kianjan'ny Elgeco Plus | Andoharanofotsy
(banlieue d'Antananarivo) |
Nazavaozina | Baolina kitra |
| Rocade Iarivo | Antananarivo | Efa misy | Cyclisme |
| Complexe sportif CNaPS | Vontovorona | Efa misy | Handball sy tsipy kanetibe |
| Lapan'ny fanatanjahantena | Antananarivo | Efa misy | Basket-ball, Volley-ball (dingan'ny manasa-dalana sy famaranana) et Handball (famaranana) |
| Petit Palais | Antananarivo | Efa misy | Fibatana fonjamby |
| Gymnase Ankorondrano | Antananarivo | Efa misy | Tolona sy Judo |
| Gymnase Mahamasina | Antananarivo | Efa misy | Taekwondo sy Karaté |
| Complexe sportif CNaPS | Vontovorona | Efa misy | Lomano |
| Kianja Maki | Antananarivo | Efa misy | Baolina lavalava lalaovin'olona 7 |
| Amicale Culturelle sy Sportive d'Ambohidahy | Antananarivo | Efa misy | Tennis |
| Gymnase Ankatso | Antananarivo | Navaozina | Volley-ball |
| Lanonana | Andron'ny fifanintsanana | Andro faran'ny lalao |
| Tetiandron'ny fifaninanana | |||||||||||||
|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
| Jolay– Endrika:Date- | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | 1 | 2 | 3 | ||
| Lanonam-panokafana sy famaranana | O | C | |||||||||||
| Hazakazaka | Hazakazaka | ||||||||||||
| Hazakazaka ho an'ny olona manana fahasembanana | |||||||||||||
| Badminton | |||||||||||||
| Basket-ball | 5×5 | ||||||||||||
| 3×3 | |||||||||||||
| Ady totohondry | |||||||||||||
| Cyclisme | |||||||||||||
| Baolina kitra | |||||||||||||
| Fibatana fonjamby | |||||||||||||
| Handball | |||||||||||||
| Judo | |||||||||||||
| Karate | |||||||||||||
| Kickboxing | |||||||||||||
| Tolona | |||||||||||||
| Lomano | Lomano | ||||||||||||
| Lomano ho an'ny olona manana fahasembanana | |||||||||||||
| Tsipy kanetibe | ∅ | ||||||||||||
| Baolina lavalava lalaovin'olona 7 | |||||||||||||
| Taekwondo | |||||||||||||
| Tennis | |||||||||||||
| Tenisy ambony latabatra | |||||||||||||
| <b id="mwApw">Volley-ball</b> | |||||||||||||
| Lanonana | Andron'ny fifanintsanana | Andro faran'ny lalao |
Ireo firenena mpandray anjara
[hanova | hanova ny fango]Mitotaly 7 ireo firenena nandray anjara tamin'ny Lalaon'ny Nosy 2023 :
- Comores
- La Réunion
- Madagascar (firenena mpampiantrano)
- Maldives
- Mayotte
- Maurice
- Seychelles